Actualités

Oniversiten’Antsiranana Nangoron’entana ny mpianatra, miato tanteraka ny fampianarana !


  • Alarobia 03 Novambra 2010


Leon’ny fampianarana tsy mandeha araka ny tokony ho izy ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ka nangoron’entana sy nanapa-kevitra ny hamonjy fodiana aloha mandra-pahita ny tena marina. Nisy ny fivoriambe nokarakarain’ireo fikambanan’ny mpianatra tany an-toerana ny sabotsy lasa teo, nandinihana ny zava-misy sy ny fiainana ary ny fianarana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Efa nisy ihany koa ny kazarana fifampiresahana tamin’ny mpampianatra, saingy nitana ny heviny hatramin’ny farany izy ireo ary nilaza fa miato aloha ny fampianarana satria tsy voavaly ny fitakian’ny SECES ka rehefa tsy hampianatra ny mpampianatra dia tsy misy antony tokony hiandrasana ela intsony fa dia nangoron’entana ary efa nandray taxi brousse ka lasa nandeha nody nanomboka ny alahady teo ireo mpianatra zanak’Antananarivo sy Toliara, Fianarantsoa ary Toamasina ary mbola maro no hanara-dia azy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia efa vita araka ny tokony ho izy avokoa ny programam-pampianarana tao amin’ny oniversiten’Antsiranana saingy tsy nanomboka araka ny tetiandro napetaka mihitsy ny fanadinana. Nisy ihany ireo departemanta sasany nanomboka nanao fanadinana saingy rava izany ary tsy tody hatramin’ny farany. Midika izany fa mikatona tanteraka amin’izao fotoana ny oniversiten’Antsiranana, tsy mampianatra ny mpampianatra mikaroka, lasa nody ny mpianatra tsy misy intsony ny fampianarana, tsy misy ihany koa ny fanadinana. Tsy mbola misy aloha hatreto ny fifampiresahana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toe-draharaha, mety ho sarotsarotra ihany koa ny hanatanterahana izany satria mbola samy mitana ny heviny ny fitondrana tetezamita sy ny fikambanamben’ny mpampianatra mpikaroka, ireto farany moa dia mamerimberina foana fa tsy afaka ny hilefitra mihitsy satria rariny sy hitsiny ny fitakian’izy ireo, ary efa nekena teo anivon’ny filankevitry ny ministra fa mila didy fampiharana fotsiny sisa.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT