• Talata 27 Jolay 2010
Actualités.Vidim-bary mitotongana any Alaotra Hiala nenina farany ny tantsaha mialoha ny hitokonana

Nanao fivoriambe tao amin’ny EKAR Ambatondrazaka ny tantsaha mpamboly vary any Alaotra ny sabotsy 24 jolay teo. Resaka vidim-bary tsy mitsaha-mitontongana ity no nifantohan’ny fihaonana. Tompomarika tamin’ny famoriana ny SEREMPAM (Sendika Rezionalin’ny Mpamboly Alaotra Mangoro), izay nijoro ny 04 mey 2010.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Jolay 2010
Actualités.Ambatovy Tafapetraka ireo rafitra hanampy ireo mpiasa

Mpiasa 12.000 no handao ny asany noho ny fahataperan’ny dingana fananganana fotodrafitrasa eo anivon’ny tetikasa Ambatovy amin’ny faran’ny taona izao. Tsy mamela azy ireo irery anefa ny Ambatovy fa nametraka birao roa dia ny BRMO sy ALBI izay samy manampy amin’ny famoronana asa vaovao ho an’ireo mpiasa tsy maintsy hesorina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Jolay 2010
Actualités.Nestor Rasolofonjatovo “Novidinay ny Feon’ny Mazava Atsinanana”

2001- 2010, feno sivy taona amin’ity taona ity ny onjam-peo sy fahitalavitra FMA (Feon’ny Mazava Atsinanana) ao Toamasina. “Fahafinaretana ho an’ny rehetra (plaisir pour tous)” izay no filamatra aminy. Rasolofonjatovo Nestor no filoha tale jeneraliny, ary 12 ny mpiara-miasa miaraka aminy manodina azy. Nisy ny tafa fohy nifanaovana taminy momba ny lalana nizorana sy mbola haleha ary ny tantaran’ny FMA izay nifamahofaho ihany nandritra izay sivy taona nisiany tao Toamasina izay.

Hamaky ny tohiny
FTT