Fatiantoka tsy roa aman-tany ny an’ireo orinasa nanana fifanarahana arak’asa tao anatin’ny fandaharan’asa MCA (Millenium Challenge Account) Madagascar.
Araka ny fikaroham-baovao mantsy dia tsy naloan’ny mpitondra ankehitriny tsotra izao ny TVA tokony haveriny amin’ireo orinasa nanatanteraka fotodrafitrasa, toy ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany, asa mahakasika ny fandaharan’asa momba ny fananan-tany ary ny famatsiam-bola madinika, tao anatin’io fandaharan’asa io. Anjaran’ny fanjakana ny mandoa na ny marimarina kokoa mamerina io TVA io amin’ireo orinasa ireo, araka ny fifanarahana mampifamatotra ny MCA amin’ny fanjakana Malagasy. Manazava ary mampahatsiahy izany rahateo ny taratasin’ny MCA Madagascar tamin’ny 13 novambra 2009, nalefa tany amin’ny praiministry ny FAT amin’ny tokony handoavan’ny fanjakana io anjarany io. Araka io taratasy io dia mitentina valo miliara ariary mahery (Ar.8.031.146.773,33) io TVA miampy “Primes d’Assurances”, izay tokony haloan’ny fanjakana ihany koa, mitentina telonjato tapitriasa ariary mahery (Ar.303.017.118,38).
Ny taratasin’ny Ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola tamin’ny 27 aogositra 2009 rahateo dia manamafy fa efa voasoratra tao anatin’ny tetibola io fandoavana ny TVA an’ireo orinasa nanatanteraka asa, tao anatin’ny fandaharan’asa MCA io. Raha ny voarakitr’io taratasy io dia misy vola enina miliara ariary mahery (Ar.6.569.000.000) efa natokana hanefana io TVA io ny taona 2009 ary tafiditra ao anatin’ny tetibolan’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanamparam-pahefana izany. Narirariran’ity farany, izay miendrika valy bontana, araka ny taratasiny in-droa miantoana hita tao anatin’ny fanadihadiana natao, ny 12 mey sy ny 24 jolay 2010 milaza fa nanapa-kevitra samirery ny hanapaka io fandaharan’asa MCA Madagascar io ny MCC (Millenium Challenge Corporation) ka dia voatery nitsinjo ny fikojana ireo fotodrafitrasa vita ity Ministera ity, ary hisy koa ny fanadihadiana hampanaoviny mikasika ny asa natao tao anatin’ity fandaharan’asa MCA ity teto Madagasikara.
Mahakasika ireo asa fanorenana io fanadihadiana io ary koa ny mahakasika ny fampitaovana ireo fotodrafitrasa. Ny zava-misy hatreto dia voarirarira ireo orinasa nanatanteraka asa, ary asa efa vita, amin’ity resaka TVA ity, izay ny fanjakana no tokony hamerina azy amin’izy ireo. Tetsy ankilany, ny tetibola 2010 dia tsy nahitana soritra intsony ny fandoavana io TVA io, izay toa fambara ratsy ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ireo fa dia ho very anjavony any ny volan’izy ireo. Mba sanatriavina ihany satria dia betsaka tamin’izy ireny no nindram-bola tany amin’ny banky nentina namitana ny asa, ary ny TVA no nandrandrain’izy ireo hamerenana ny vola nindramina sy handoavana ny karaman’ny mpiasa. Misy amin’ireo orinasa ireo no manana TVA 35 tapitrisa ariary mahery tokony haverin’ny fanjakana, raha mbola misy fanjakana ihany eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.