Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010


Pr Ranjeva : Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ao amin’ny trano fonenany ao Ambaranjana ny Pr Raymond Ranjeva anio alatsinainy 15 novambra tolakandro. Fihaonana voalohany taorian’ny niverenany avy any an-dafy io, ho fantatra amin’izany any amin’ireo resaka nandeha fa nihaona tamin’ny amiraly Ratsiraka izy, tany Vatikana ihany koa. 

Mitohy : Mitety tsena miandry vory vahoaka sisa ny mpitondra FAT. Hitohy ao Antanifotsy ny fitetezam-paritra ataon’i Andry Rajoelina rehefa avy tany Toliara araka ny ambaran’ireo Raiamandreny Mijoro Antsirabe raha namory mpanao politika tao ao an-toerana izy ireo ny sabotsy teo.
 
Fiofanana : Niatrika fiofanana amin’ny fiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 17 Novambra ireo mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato 12 ao Ambohijanaka. Tao amin’ny biraon’ny Kaominina no nanatontosana izany ny faran’ny herinandro teo, nahitana mpandray anjara fito isam-pokontany. Nitarika ny fiofanana ny lehiben’ny boriborintany eny an-toerana.
 
Manahy mafy : Manahy mafy ny amin’ny mety ho vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 17 Novambra ho avy io ny ankamaroan’ny olona. Araka ny feo mandeha mantsy dia ny isan’ny olona tonga handray anjara amin’ny fifidianana no anisana ny vato. Sarotra ho an’ny rehetra ny hino noho izany fa tsy ny TSIA no hahazo vahana satria bileta tokana no hampiasaina.
 
Fotodrafitrasa : Lalana roa samy hafa ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka no notokanana ny faran’ny herinandro teo. Nisantarana izany ny tao amin’ny faritra Manandona Fokontanin’Imerimanjaka, mirefy 150m sy ny tao Soaranokely mirefy 400 m. Natolotra ny Fokonolona ny asa vita, natrehin’ny Ben’ny tanàna, Alain Ratsimbazafy.
 
Velon-taraina : Velon-taraina noho ny fitohanan’ny fiarakodia indray ny sabotsy lasa teo ireo mpampiasa lalana nanodidina iny 67 ha iny. Tonga hatreny afovoan’ny arabe mantsy ireo olona nilahatra teo amin’ny tsena mora akaikin’ny Cenam ka tsy nahafahan’ny fiara nizotra ara-dalàna toy ny mahazatra. Na izany aza anefa mbola nisy tamin’ireo olona ireo ihany no nitaraina ho tsy nahazo ny anjara variny.
 
Mirongatra : Mirongatra ny laha-botry ao amin’ny Fokontany Imerimanjaka, Ambohijanaka. Hatramin’ny nisian’ny krizy no nampirongatra izany araka ny vaovao voaray na dia efa miasa andro aman’alina aza ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Anisan’ny tena lasibatra amin’izany ny taribin’ny JIRAMA, ny tafon-trano ankoatra ny vaky trano madinidinika.
 
Matahotra : Misedra olana noho ny tsy fisian’ny mpandeha hoentina miakatra ireo fiara taksibrosy mampitohy ny renivohitra amin’ny faritany. Hatramin’ny nisian’ilay sakoroka teny amin’ny Malacam Antanimena izay nahamaizana fiara telo teo ho eo no nahatonga izany. Aleon’ireo mpandeha mijanona any amin’ny faritra misy azy ihany noho izany.
 
Tsy misy mpitaingina : Efa miaina ao anatin’ny maitso ahitra sahady kosa ireo taksibrosy mampitohy an’Antananarivo amin’Antsirabe sy Faratsiho. Zara raha mahafeno fiara iray isan’andro mantsy ny koperativa iray noho ny antony tsy fantatra. Na ireo mpaka sy mpitondra entana mivezivezy aza tsy re intsony, araka ny vaovao voaray.
Fifidianana : Hitety trano hitaona ny olona hifidy amin’ny Alarobia izao ny Raiamandreny Mijoro Antsirabe. Re mantsy fa malaina tanteraka raha ny ao Vakinankaratra amin’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity itadiavana ny fomba rehetra azo atao. Mandeha aza ny resaka ary efa aely mihitsy fa izay tsy mifidy dia tsy hahazo raharaha any amin’ny Fokontany fa hisy ny fisavana kara-pifidianana, hono.
 
Tsy tomombana : Hagagana ny an’ireo mpifidy any Fianarantsoa satria raha ny tokony ho izy, hoy izy ireo, dia omen’ny Fokontany taratasy fenoina izahay mialoha ny fifidianana hamenoana ny lisitry ny mpifidy. Tamin’ity anefa, araka ny fanazavana, dia tsy nomena taratasy ny mponina fa ireo tompon’andraikitra ihany no nameno ilay taratasy. Vokany, be diso ny voasoratra anaty lisi-pifidianana. Tsy tomombana, araka izay ventesina etsy sy eroa ny fanatanterahana ny fifidianana. Asa hoe inona no ambadik’izany ? Tsy fahaizana-manao sa … hosoka ?
Tsiazotafo : Hatairana ny an’ny mponina manodidina nandre fipoahan-javatra mahery vaika teny amin’ny manodidina ny alahady alina. Araka ny fantatra dia nisy nitoraka zavatra mipoaka ny toby mpaninjara solika Total ao an-toerana. Nisy ny nipoaka ary nisy ny tsy nipoaka ka niditra an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana nanao izay tsy hipoahan’ity farany.
Sarotra ny fiainana : Efa tena sarotra ny fiainana ankehitriny ka izay rehetra azo amidy dia amidy avokoa. Ny manaitra amin’izao dia ny fahitana olona mitondra alika eny amoron-dalana, izay rehefa nofotorana akaiky dia amidy izy ireny. Toy izany koa ny fahitana akoholahy eny amin’ny mpivarotra anana. Lazaina fa mpiady izy ireny ary amidy. Misy ihany ireo voasarika noho ny fankafizana akoho. Ireo fivarotana sakafo tsy dia fahita firy toy ny mortadela sy ny salami moa dia efa feno hatrany anelanelan-trano.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT