Ara-bakiteny mihitsy ny an’ny Emmo-Reg ny hoe raha misy olona mitangorongorona dia ravao. Raha vao mikasa handroba dia tifiro, hoy ilay zandary adzida nanampy. Nanampatra ny heriny ireto andia-miaramila ireto ny sabotsy 13 novambra teo.
Nanaovany fampisehoan-kery ny tanàna. Toy ny milalao ny fanapoahany ireo baomba mandatsa-dranomaso etsy sy eroa. Rava ny lalao rugby tao Antanimena, sempotry ny etona mahery vaika ny mpilalao. Rava koa ny “bal des jeunes” izay fialambolin’ny tanora tao amin’ny Cheminot. Toran’ny hehy ireto miaramila mahita ireto vaviantitra sempotry ny gazy, ary mitsirepirepy nitady lalan-kivoahana tao amin’ny Magro Behoririka tamin’io andro io, izay mbola liana nihaino ny kabarin’i Tabera Randriamanantsoa. Kinga mihitsy koa ireo miaramila nanenjika izay nijerijery azy, ary dia “lacrymogène” hatrany fa tsy misy resaka, na olona hamonjy fodiana ianao, na sendra nandalo an’Antanimena fa iny no lala-manitsy. Tsaroana etoana ny antsoantso sy fanazavana nataona jeneraly efa misotro ronono iray, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ankehitriny, tamin’ireo haino aman-jery tsy miankina teto an-drenivohitra tamin’ny taon-dasa, teo anatrehan’ireny zava-nitranga ireny, ka nanazavany ny fomba tokony hatao amin’ny fanaparitahana olona, izay tokony hampiasan’ny mpitandro filaminana mégaphone hanaovana fampitandremana, fanaparitahana amin’ny rano, sns. Aiza izany ankehitriny ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.