Actualités

Lisi-pifidianana Feno mpifidy “matotoa”


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010


Mifanjevo ny fitadiavana kara-pifidianana eny amin’ireo biraon’ny Fokontany ao Antsiranana ao. Fokontany efatra nanaovana fanadihadiana, dia i Morafeno, Cité Ouvrière, Place Kabary, ary SCAMA, no fantatra hatreto fa tratry ny tsy fahatomombanana, toy ny fisiana anarana miverimberina sy mpifidy tsy fantatra adiresy, raha ny ao tampon-tanàna fotsiny. Resaka «logiciel» (?)no voalaza hatreto fa fototr’izany, raha ny valin-teny azon’ireo ireo sefo Fokontany nangataka fanazavana tany amin’ny CIR (Centre Informatique Régional). «Mandehana any amin’ny Ministeran’ny Atitany ianareo fa izy ireo no namome anay io logiciel io”, hoy ny fanampiny. Ny mahagaga anefa samy ao an-tanàna ihany nefa tsy nisy olana toy izany ny Fokontany hafa. Raha ny tao amin’ny Fokontany Morafeno fotsiny dia 2 000 latsaka ny isan’ny mpifidy ao, izay ezahina hozaraina ato anatin’ny telo andro ny kara-pifidianana. Raha ny tsikaritra anefa dia maro ireo olona mitondra anarana Assan, Amina, Abdalah, Saïd ao no miverimberina anaty lisi-pifidianana nefa tsy fantatra adiresy mazava. Raha ny hevitr’ity sefo Fokontany ity dia feno ny fepetra tsy hanantaterahana io fifidianana io rehefa tsy naverina ny fanotana ny kara-pifidianana misy adiresy mazava.  

Hafahafa
 
Lisitra madio no hiasana manomboka amin’ity fifidianana ity, hoy ny FAT. Tsy misy intsony ny anarana miverimberina. Maloto ny lisitra teo aloha, madio tanteraka ny lisitra amin’izao, nesorina ny olona maty sy tsy hita intsony... Tsy izany anefa ny zava-misy, hoy i Alain sefo Fokontany Morafeno. Natao tokoa ny fanisam-bahoaka izay nanirahana ireo mpianatry ny oniversite, na dia tsy mbola azo aza ny volan’izy ireo hatramin’izao, nefa mbola io ihany ny lisitra nivoaka. Raha ny fahitan’ny sefo Fokontany azy dia mbola lisitra teo aloha ihany no naverina natonta. Ny olona efa maty sy efa nifindra monina amin’ny fokontany hafa aza dia mbola hita ao ihany, ny anarana miverimberina efa tsy tenenina intsony. Manahy aho, hoy i Alain fa misy anarana voasoratra anaty lisi-pifidianana nefa io olona tsy misy akory. Etsy andaniny anefa ny mpitondra milaza fa kara-panondrom-pirenena dia ahafahana mifidy ka sao mba hisy fizarana kara-panondro hafahafa any, mba hanatsara ny valim-pifidianana hampandresena ny Eny. Mandeha be rahateo ny feo ao Antsiranana ao amin’izao fotoana izao fa misy anaran’olona 40 000 voasoratra amin’ny lisi-pifidianana, ho an’ny faritra DIANA, nefa tsy misy akory io olona io na mpifidy “matotoa”.
 
Môrasiro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT