Actualités

Polisim-pirenena Trakta manakiana ny ministra


  • Zoma 12 Novambra 2010


Miparitaka ao amin’ny polisy indray ny trakta izay manao ampamoaka ny olana rehetra eo anivon’ity vondrona ity. Anisan’izany ny momba ny ministra Organès izay lazain’ity taratasy ity fa manao “favoritisme” no sady mpanao kolikoly ihany koa. “Nampiditra olona ho mpianatra polisy sady amin’izay indray ECP. Dia ahoana izao ny amin’io polisy io, hesorina ve ? Efa nametraka fitoriana eny amin’ny Bianco izahay satria efa nisy “aveu public” na “infraction assimilée” nataon’ity minisitra ity” raha araka ny andininy sasantsasany ao anatin’ilay trakta hatrany. “Avela hikorontana sy hohitsakitsahina toy izao foana ve ny fitsipika sy ny ‘hiérarchi’?...Tsy sahy mandray andraikitra ny olom-pehezina manomboka amin’ny tale ka hatramin’ny lehiben’ny sampandraharaha tsirairay avy satria tsy to teny intsony... 

Ahoana ny momba ilay commissaire divisionnaire vao herintaona dia lasa contrôleur général sahady nefa tokony ho dimy taona raha kely indrindra vao hatolotra io grady io ? Manginy fotsiny ny zava-nitranga teny amin’ny PAF... Ary ahoana koa ny basy any am-balahiny, fa dia matahotra inona loatra ?”, hoy ihany io trakta io. Marobe ny zavatra voalaza ao toy ny fari-pananan’ny ministra sy ny lehiben’ny polisy sasantsasany izay kianiny. Any amin’ny farany moa dia nilaza ity trakta ity fa efa nanao fitoriana eny amin’ny Conseil d’Etat sy eny amin’ny Bianco. Mety hisy ny “mandatd’arrêt” ho avy mahakasika izany rehetra izany raha ny voalaza ao ihany.

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT