Actualités

Bois de rose : kaontenera hafa indray no tratra


  • Zoma 12 Novambra 2010


Hazo sarobidy, bois de rose na andramena, hazo fisaka 748 miampy  madaria na madriers 454 ary bolabola 8 no tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga omaly. Any an-toerana mihitsy ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana nijery ny zava-misy. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra dia efa tamin’ny 18 janoary no narahi-maso ilay kaontenera. Korontam-by no voalaza fa tao anatin’izany kaontenera izany kanefa rehefa novohaina dia hazo sarobidy no tao anatiny. Araka ny efa nitaterana azy teto moa dia karazan’ny nifindra any Mahajanga ny seranana fanondranana ireo hazo sarobidy fa tsy any Toamasina intsony.  Raha efa mikiakiaka izao tontolo izao, ireo mpikajy ny zavaboary na eto an-toerana na any ivelany, dia toa tsy dia rototra loatra ny fanjakana eto amintsika. Ny antony moa tsy dia fantatra loatra. Mila tsy ho voaisa intsony ny harem-pirenena efa lasa niondarana an-tsokosoko any ivelany any. Any Chine moa no tena hitontonan’ireo hazo sarobidy, indrindra fa ny andramena avy aty Madagasikara.  

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT