• Alatsinainy 16 Aogositra 2010
Actualités.Raharaha MANA sy TOP II Toamasina «Voahitsaka ny foto-dalàna Malagasy, tsy voahaja ny fahalalahan’ny Fitsarana»

Taorian’ny taratasy fanakanana nataon’ny ministry ny fitsarana ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT), Razanamahasoa Christine, manery ny lehiben’ny fampanoavana ambony tao Toamasina hanakana ny fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan’ny filoha voalohany ny fitsarana ambony teto Antananarivo, dia namoaka ny heviny sy nilaza ny marina rehetra amin’ny antsojay atao aminy ny tomponandraikitra sy ny mpiaro ny vondron’orinasa Tiko SA, misy ny MANA Madagasikara sy ny TOP II Toamasiana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010
Actualités.Raharaha “bois de rose” Nisaoty ny «fusible» voalohany

Na ho inona ambara ankehitriny, dia nitarika amin’ny fanalana mpitantana “Groupement” na vondrontobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena, faritra Atsinanana, ny raharaha “bois de rose” nisesisesy tao Toamasina ny volana mey sy jona ary jolay 2010 teo ireny.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010
Actualités.Filohan’ny KMFD Mahajanga Miseho ho saro-piaro alohan’ny tompony ?

Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny renivohitry ny faritra Boeny dia mijoro ho mpisolovava ny Talem-paritry ny Jirama ao Mahajanga indray ankehitriny Ratsimbazafy Andrianjafitsalama na i Salama, araka ny fiantson’ny ao an-toerana azy, filohan’ny KMFD na Komity manohana ny fanovana ara-demokratika any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010
Actualités.VAOVAO TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
FTT