Actualités

Referandaoma Tsy misy noraisina ny fitarainana


  • Talata 07 Desambra 2010

Tsy zava-baovao intsony no sady tsy mahagaga ny nankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny voka-pifidianana tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka momba ny volavolan-dalàmpanorenana ny 17 novambra lasa teo.

Nambaran’ity andrimpanjakana ity fa tsy azo raisina ny fitoriana napetraky ny Docteur Réverend Ndriana Rabarioelina sy Atoa Randria Rakotomanga Moreno izay nangataka ny hanafoanana tanteraka iny fitsapan-kevi-bahoaka iny. «Tsy azo raisina ny fangatahan’izy ireo satria ny mpitory dia tsy nandrotsaka ao anatin’ny antontan-taratasin’ady ny kopia voamarina fa mitovy ny kara-pifidianany avy amin’ny rantsamangaikan’ny CENI hanaporofoana ny maha mpifidy azy». Nanambara ho tsy mahefa mitsara ny fitarainana napetraky ny filohan’ny vaomiera misahana ny fanisam-bato ao amin’ny distrikan’i Vatomandry koa ny HCC.

Fitarainana momba ny tsy fisian’ny raharaham-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato manerana ny Kaominina Ifasina-I izy io. Ho an’ireo mpanolotsaina eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia  heloka efa anaovan’ny manampahefana any an-toerana fanadihadiana io raharaha io no sady tsy tafiditra ao anatin’ny fahefan’ny andrim-panjakana misy azy ireo koa. Ankoatra izay dia ambarany fa tsy miendrika fangatahana amina fifidianana, araka ny fombafomba voalazan’ny lalàna ny fitoriana napetrak’ilay vaomiera misahana ny fanisam-bato. Araka izany dia tsy nisy niova ny voka-pifidianana navoak’ity andrim-panjakana ity fa nanamafy ny efa voalazan’ny CENI ny 30 novambra ihany. Very anjavony avokoa noho izany ireo fanakianana maro nataon’ny KMF/CNOE, ny fiarahamonim-pirenena COSC-D momba ny tsy fahatomombanan’ny lisitra sy ny fampiasana fitaovam-panjakana ary koa ny fanentanana ankolaka ny olona hifidy ny ENY izay nataon’ny tomponandraiki-panjakana sasany. 

sary : Ireo mambran’ny HCC nandritra ny fotoam-pitsarana namoahana ny valim-pifidianana
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT