Manatitra CV : Efa misy manatitra CV ireo mikasa hiditra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena araka ny nambaran’i Camille Vital omaly, izany dia ho fanatanterahana ny zavatra tapaka nandritra ny fihanonambem-pirenena. Mifono amin’ny resaka nataony fa dia izy ihany no ho Praiministra.
Vonjimaika : Hamonjy fivorian’ireo manampahaizana eo anivon’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa any Genève no namahana vonjimaika ny tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara nihatra tamin’ny Profesora Raymond Ranjeva, araka ny fanazavana nomen’ny Ministry ny FAT misahana ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine. Nanao fanekena fa hiseho eo amin’ny fitsarana izy raha misy ilana azy, araka ny nambarany ihany.
Tsy nisy nitsipaka : Lany tsy nisy nitsipaka teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita omaly ny tetibola 2011. Ny alakamisy 02 desambra no nanomboka ny fandinihana azy ity tao Anosikely rehefa avy nolanian’ny Kongresin’ny tetezamita.
Fandriampahalemana : Mandry andriran’antsy ny mponina any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo taorian’ny fanafihana nihatra tamin’ilay orinasa mpamokatra taretra iray any an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Manao lavareny rahateo ny asa fanafihana tanàna tato ho ato izay arahina herisetra sy vono olona hatrany. Tsiahivina fa mitentim-bidy iray miliara ariary ny vola very tamin’izany saika haterina tany amin’ny banky raha voatifitra teo amin’ny sandriny kosa ilay mpamily.
Tsy milamina : Tsy milamin-tsaina intsony ny mponina eny amin’iny faritra Soamanandray, Kaominina Anosiala, distrika Ambohidratrimo iny noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Taorian’ny fanafihana nihatra tamina tokantrano iray niseho tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo no nahatonga izany. Ora roa no nanjakan’ireo jiolahy tao amin’ity tokantrano ity, araka ny vaovao voaray.
Ady amin’ny tazomoka : Omaly no notanterahina tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo ny fampahafantarana tamim-pomba ofisialy ilay tetikasa fandrarahana ranom-panafody hoenti-miady amin’ny aretina tazomoka. Faritra 15 manerana ny Nosy no hanaovana ny hetsika ka Distrika miisa 45 no voakasin’izany. Nosafidiana manokana ity distrika ity noho ny hamaroan’ireo olona tratra ity aretina ity any an-toerana.
Fotodrafitrasa : Nahazo tranon-tsekoly vaovao ireo kilonga madinika ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampasinambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Mirefy 20 x 10 metatra ny fotodrafitrasa, natokana ho an’ireo vao handia varavaran-tsekoly mihitsy. Angady nananana sy vy nahitana izany ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny kaominina sy ny fikambanana Rayon du Soleil.
Voatoton’ny omby : Lehilahy iray sahabo ho 40 taona no maty nototoin’ny omby tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Omby vao novidiany saika hangalany taranaka ity nanoto azy ity, araka ny vaovao voaray. Tao an-damosiny no niditra ny tandroka, nivoaka tany amin’ny fony.
Azo hiafiana : Afa-pahoriana amin’ny haratsian-dalana ireo mponina sy ireo mpampiasa lalana any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Efa saika vita amin’ny ampahany avokoa mantsy ankehitriny ireo tetezana simba tany an-toerana raha nototofana sy namboarina ihany koa ireo lalana feno lavadavaka.
Herisetra : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Behara, Faritra Atsimo Andrefana omaly alatsinainy 06 Desambra. Fanentanana ny vehivavy mba tsy hatahotra ny hilaza izay zava-manjo azy no nivoitra nandritra izany hamaizana ireo lehilahy zatra mampahory na mamono vady.
Nifandona : Nifampikasoka ny fiara express iray an’ny colis Express avy aty Anosibe ho any Anosipatrana sy fiarabe mpitaona biriky ho any Anosibe. Tsy dia nisy zavatra simba fa ny retroviseur-n’ilay fiara kely no niala. Tsy nanaiky anefa ny mpamily io raha tsy natao ny fampiraharahana hanoloana ilay zavany simba. Saika ny niafara tamin’ny fifandonana ny niafarany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.