Aretina tosi-dra no anisan’ny nitaiza an’i Ampy Augustin Portos fahavelony ka mety nitarika ny fahafatesany ny alin’ny sabotsy teo io. Ministry ny Atitany tamin’ny andron’i Deba izy, nalaza tamin’ilay fandaharana hoe : “Ô ry Vahoaka” tao amin’ny radio nasionaly Malagasy. Efa senatera ihany koa izy fahavelony. Voarohirohy tamin’ireny raharaha 2002 ireny ny tenany. Tany Antsiranana sy Nosy Be no tanàna namaharany tamin’izay. Ary voasazin’ny fitsarana Malagasy. Rehefa raikitra ny fampandrian-tany dia niondrana tamin’ny botry kely nihazo an’i Kaomoro izy. Fananan’olona anefa no nataony ankeriny ary ka nahavoarohirohy ara-pitsarana azy ka nigadrany tany Mayotte tany. Rehefa vita ny saziny dia nihazo an’i Mozambika ary nanorim-ponenana tany i Ampy Augustin Portos.
Araka ny fantatra dia manana fiaviana Mozambikana rahateo ity ministra tamin’ny Repoblika faharoa ity. Tamana tany ary nihevitra ny honina maharitra any mihitsy aza satria toa nanambady mozambikanina ihany koa izy nony tonga tany. Anisan’ireo niarahaba ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny Pr Zafy tonga soa tany Mozambika ny tenany tamin’ny fotoana nisian’ny fifampidinihana nikatsahana vahaolana tamin’ny krizy ka nampisy ny Maputo ny volana aogositra 2009 ireny ny tenany. Nanambady sy nanana taranaka teto Madagasikara koa anefa i Portos. Hatramin’ny ora nanoratana dia tsy mbola voafaritra mazava na hijanona any Mozambika na hoentina hitodi-doha aty Madagasikara ny nofo mangatsiakany. Marihina fa efa saika lasa frera i Ampy Augustin Portos tamin’ny fahatanorany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.