Tsy nisy niova ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI, ary dia nandresy mazava tamin’ny alalan’ny 74,19%-n’ny vato manankery ny ENY. Izay no vokatra ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly maraina, tamin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika teny Ambohidahy nanomboka tamin’ny 10 ora.
25,81 % kosa ny vato azon’ny TSIA raha nahatratra 52,61% ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy araka ny didy navoakan’ny HCC ihany. Mazava izany ny resaka eto fa dia neken’ny maro an’isa ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ary nanamafy ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa ara-dalàna iny fifidianana iny no sady mitombina, raha ny famakiana ireo andinin-dalàna sy didim-pitondrana ary ny didim-panjakana mialoha ny nanambarana ireo tarehimarika ireo no zohiana. Tafapetraka amin’izao fotoana ny lalàna fototra handaminana ny fiarahamonina eto Madagasikara, hoy izy. Nanohy ny fanazavany izy ary nanipika mazava fa tsy natao ho fitaovana hampiasain’ny olon-tokana na vondron’olona ny lalàmpanorenana, fa natao indrindra hitsinjovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy ho fototra iaingana amin’ny lalàna rehetra ampiasaina eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary anisan’ny lalana tsy maintsy aleha amin’ny famahana ny krizy ny fandaniana azy tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Tsy maintsy misy ny tsy fitovian-kevitra, hoy ity filohan’ny HCC ity, saingy tsy tokony hatao ho sakana amin’ny fandrosoana amin’ny famahana ny krizy sy fandaminana ny fifaninanam-pirenena izany, fa hahafahana kosa mikaroka ny marimaritra iraisana eken’ny maro an’isa. Dia lasa karazana nofinofy izany sisa ny hetahetampon’ny avy ao amin’ny mpanohitra, nieritreritra fa hanafoana ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, satria dia nanamafy sy nipasoka ireo tarehimarika efa navoakan’ny CENI fotsiny ny tetsy Ambohidahy, ary nanao ho toy ny tsy nisy ireo fitoriana sy fangatahana voarainy.
Na ahoana na ahoana filaza etsy sy eroa, dia mazava ny resaka izao fa manana fototra ijoroana araka ny lalàna amin’izay ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, ary na ny avy ao amin’ny Ankolafy Telo aza dia ho sahirana ihany hanafoana iny voka-pifidianana iny. Fety be no hotanterahana manerana ny nosy amin’ny faran’ny herinandro izao ho fanamarihana ny fahaterahan’ny Repoblika faha-4, raha araka ny fandaharam-potoanan’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita, ka tafiditra ao anatin’izany ny fitokanana ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely ny sabotsy 11 desambra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.