Actualités

Hitsidika, hitsikilo foara ? Taratasin’ny tribonaly no nanereny ny mpikarakara


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Tsy dia fahita ny tranga toy ity. Mampieritreritra mihitsy koa aza raha amin’izao andron’ny fanalalahana ara-barotra izao no misy teritery ara-pitsarana.

Taratasin’ny tribonaly mihitsy no nentin’ireto andian’olona dimy, raha ny voasoratra ao anatin’ilay ‘ordonnance’ navoakan’ny fitsarana ny 03 desambra 2010, mandidy ny mpikarakara foara “La Grande Foire de Tanà” tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena tamin’io fotoana io, hampiditra ireo olona ireo hiantsena ao. Telo tamin’ny dimy voasoratra ihany moa no tonga niaraka tamin’ny vaditany ny sabotsy 04 desambra teo, nampihatra io didy io. Ao raha aloha matoa hoe olona hiantsena ka mitondra taratasin’ny tribonaly manery ny hampidirana azy. Ny mahatsikaiky dia hitsidika “Foire de Tanà” no anton’ny fangatahana nalefan’izy ireo teny amin’ny prezidan’ny tribonaly ambaratonga voalohany Antananarivo, ary izay no namoahan’ity farany io “ordonnance” io. “La Grande Foire de Tanà” anefa no nisy tamin’io fa tsy “Foire de Tanà” araka ny nanaovana fangatahana.

Raharaham-pitsarana izany na voanteny iray aza manan-danja. Na izany aza tsy nitsivalana amin’ny hanatanterahana io didin’ny fitsarana ry Njaka Andrianasolo, avy amin’ny FIMAFM mpikarakara ilay hetsika ara-toekarena io. Ny manaitra ihany koa dia betsaka ihany ireo manan-draharaha eny amin’ny Tribonaly nefa am-bolana vao mahazo didim-pitsarana, nefa ny an’ireto olona dimy ireto, izay diso fantatry ny mpikarakara io foara io fa mpiasa amina orinasa mpikarakara foara matetika ihany koa, dia haingam-piasa tokoa ny fitsarana ary tao anatin’ny indray mipi-maso dia azony ny didy. Noraisin’i Njaka Andrianasolo ho fankaherezana ho azy ireo moa ny toe-javatra toy izany, ary nampirisihany ny tanora toa azy hiezaka hanao zavatra hatrany na eo aza ny fingampingana toy izany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT