Nikorontana ny teo anivon’ny ladoany Toamasina omaly alatsinainy maraina. Tonga tamin’ny ora fidirany isan’andro ihany ireo mpiasa, saingy tsy afaka niditra ny birao noho ny varavarambe nisy nanidy tamin’ny gadana vao maraina tokony tamin’ny 07ora araka ny fanazavan’ireo mpiambina mirahalahy.
Nifanjevo toy izany koa ireo mpanjifa, ny sambo tsy miandry birao mihidy, ny tataon-ketra koa tsy te-hahalala fitokonana misy ary ny tompon’entana mila ny fananany tonga ara-potoana. Raha ny fanazavan’ireo mpiambina mirahalahy eo anivon’ny fandintseranana Toamasina, dia nosokafana toy ny andavanandro ny birao rehetra ; nefa tonga ireo mpiasan’ny ladoany mirahalahy miasa eny anivon’ny seranan-tsambo, nametraka ireto gadana roa nanidina izany indray, taorian’ny famoahana ny mpamafa trano sy ny irakiraka eo anivon’ny ladoany Toamasina. Raha ny zava-nisy omaly alatsinainy aloha, dia tsy nisy mihitsy fotoana nahafahan’ireo mpiasa niasa ny maraina. Ilay birao misy ny «serveurs» na solosaina sy ny biraon’ny inspektera mihitsy ity nisy nanidy tamin’ny gadana ity. Ireo birao hafa kosa mbola nisy mpiasa niasa ihany, tahaka ireo birao fandoavana ny habantseranana.
Nakana vaditany
Nanapa-kevitra ny reseveran’ny ladoany Toamasina naka vaditany, Maitre Ranaivoson Georges, sy zandary roa tao amin’ny seranan-tsambo, hanao ny fanapahana ny gadana sy famohana ny birao ahafahan’ireo inspektera hiasa, raha mitokona kosa ny mpiasan’ny fandintseranana sasany. Tokony ho tamin’ny 09ora no nanao ny fanamarinana ny vaditany, tamin’ny 11ora sy 55mn no tonga ny zandary ary tamin’ny 12ora sy 05mn no vita ny fanapahana ireo gadana roa nanidy ny trano. «Tsy fantatra mazava ny anton’izao fanakatonana ny biraon’ny inspektera izao, fa ny fahatsapako azy dia noho ny fitokonana nataon’izy ireo tamin’ny taona lasa ka nanasoketana azy ireo ho ekipan’ny tale jeneralinay, no mety ho anton’izao toe-javatra izao», hoy ny resevera raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity.
Ankoatra izay, tsy ny birao foibe ihany no tsy niasa fa nikatona ihany koa ny vavahady be faha-05 ao amin’ny seranan-tsambo misy ny mpiasan’ny ladoany. Tsy tafiditra ireo fiara vaventy haka sy hanondrana ary hanatitra kaontenera foana, ireo mpanondrana lodsia ihany no tafiditra sa nampidirina. Mety ho raharaha hafa koa anefa no hitranga eto satria mandrahoana ny hanao fanakanan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-02 sy ny vavahady fidirana ny seranan-tsambo koa ireo mpitatitra, raha tsy mivaha ny olana.
Rakoutou
PS:
«Aza tsabahanareo ‘entités’ hafa ivelan’ny fadintseranana sy ny mpanao politika ny asanay, ary mangataka tsy misy hatak’andro hamerenana ny asanay ladoany nalain’ireo ‘entités’ hafa ireo ihany koa», anisan’ny fangatahana goavana sy fitakiana lehibe nentin’ireo mpiasan’ny ladoany tao Toamasina nanaovana fitokonana nanomboka omaly io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.