• Alarobia 08 Septambra 2010
Actualités.Ben’ny tanànan’i Brickaville Nafahan’ny Fitsarana madiodio

Vita omaly talata 07 septambra ny fitsarana ny Ben’ny tanànan’i Brickaville, Gerard Jean Claude na i Manavolo, voatana am-ponja vonjimaika taorian’ny nahaverezana zezika sy masomboly ary kojakoja entina amin’ny fambolena samy hafa, very tao an-trano, ny faramparan’ny volana jolay iny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Septambra 2010
Actualités.Halatra tao an-tranon’i Botozaza Dockers am-perinasa no nahavanon-doza

Omaly talata no niakatra mpitsara mpanao famotorana, raha ny alatsinainy teo no niditra teo anivon’ny fampanoavana, ny raharaha mikasika ireo efa-dahy sarona nangalatra tao an-tranon’ny ministry ny fitaterana farany tamin’ny fitondrana Ravalomanana, Botozaza Pierrot tao Mangarano II ary mbola namono tamin’ny fomba feno habibiana ny mpiambina ny tanàna.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Septambra 2010
Actualités.Jiro tapaka lava Sabôtazy fa tsy delestazy

Tsy manam-pitsaharana ny delestazy, saika amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Voa Antananarivo fa mahery vaika koa ny ao Toamasina. Vao ny zoma teo anefa no nitokanana ny foibe famokarana herinaratra vaovao hanampy tosika ny efa misy saingy toy ny nandatsa ilay izy satria ny andron’ny fitokanana ihany dia raikitra ny delestazy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Septambra 2010
Actualités.Seranam-piaramanidina Ivato Karana tratra saika hanondrana volamena 1 kg sy sasany

Teratany Karana iray monina eto Madagasikara no saron’ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly saika hanondrana volamena an-tsokosoko any Inde. Efa narahin’ny zandary maso ity Karana ity tamin’ny fihetsiny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Septambra 2010
Actualités.Fampindramam-bola madinika Mandrahona hitokona ny ACOA Famonjena

Mpikambana maro eo anivon’ny ACOA famonjena no tsy afaka maka ny volany ara-dalàna teo anivon’ny Caisse efa ho telo volana. Araka ny fanazavana azo eo anivon’ny mpikambana vaky taraina dia manana olana ara-bola ity ACOA Famonjena ity, noho ilay raharaha fifandroritana eo amin’izy ireo sy ny tambajotra Littoral.

Hamaky ny tohiny
FTT