Actualités

Tranon’ny TVM Ampanofaina fa tsy tafarina


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Soratra mivandravandra “TOP MUSIC COMMUNICATION” no misarika ny maso eo amin’ny tranon’ny fahitalavi-panjakana na TVM Anosy nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity.

Amin’ny faritra talaky maso satria amin’ny manoloana ny arabe misy ny fiandrasana taxi-be no misy io soratra io. Fanontaniana avy hatrany no teny ambavan’izay nahita, fa inona no idiran’io amin’ny TVM ? Ny hafa indray manontany f’angaha lasan’ny tsy miankina ity tranom-panjakana ity ? Dia resaka mifamahofaho toy izany tokoa no re etsy sy eroa nanomboka omaly talata. Ny zava-misy aloha dia olona ivelan’ny TVM no manatanteraka asa ao, toy ny fananganana efitra, mandoko … amin’ny rihana ambany indrindra amin’ilay trano mijoalajoala namboarin’ny fitondrana Ravalomanana ary nasiana fitaovana raitra tokoa, tsy misy mpanana raha taty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina, namindrana ny TVM izay nihafihafy an-taonany maro tao amin’ny tranon’ny Solima eny Antaninarenina. May kila hotohoton’ny afo ary potika tanteraka ilay fotodrafitrasa (RNM sy TVM) ny alatsinainy 26 janoary 2009, rehefa niala teny amin’ny Kiajan’ny 13 Mey ka nitarika olona teny Anosy i Andry Rajoelina tamin’io andro io.

Alatsinainy tamin’izay. Raikitra ho “Alatsinainy mainty”, “Lundi noir” na koa “Black monday” mandrak’ity ny anio aza moa io daty io. Ny RNM sy ny TVM no potika voalohany teto roa taona lasa izay, ary dia harem-pirenena tsy hita noanoa no lasa lavenona tao anatin’ny in-dray mipi-maso tamin’izay. Betsaka ny resaka nandeha hatrany amin’i Gilbert Raharizatovo mbola ministry ny kolontsaina sy fifandrasaina, raha vao nijoro ny FAT (Fahefana avon’ny tetezamita), fa hanarina io fotodrafitrasa io fa roa taona aty aoriana ihany, mbola io izy io. Misy ireo Malagasy latsa-dranomaso rehefa mahita ilay vako-pirenena maintin’ny setroka sy molaly ary konkan’ny taona, eo Anosy eo. Ankehitriny misy ity “TOP MUSIC COMMUNICATION”. Ny re dia hoe hanarina ny ampahany amin’io tranon’ny TVM io izy ity, ka sady ho azon’ny TVM hampisaina hamokarany fandaharana izany, no hampiasain’itsy orinasa itsy ihany koa.

Tsy nahazoam-panazavana kosa ny hoe ahoana ny endriky ny fifanarahana ao anatin’izany, indrindra ny lafiny ara-bola. Nisy tolobaro-panjakana natao sa resaka fifankafantarana no nifandraiketana tao anatin’izy ity ? Azo antoka mantsy fa maro ny mpandraharaha tsy miankina mety mba manana tetikasa ary nitsiriritra azy io, noho izy tsara toerana saingy tsy nahalala fa azony trandrahana io fotodrafitrasa io. Ilaina, araka izany, ny mangarahara amin’izy ity, satria tsy vitan’ny hoe fananam-bahoaka io, fa izay rahateo koa no nilokalokan’ny mpitondra ankehitriny raha naka ny fitondrana teny an-dalambe izy ireo, roa taona lasa izay, saingy ny mahagaga dia na ireo mpiasan’ity haino amanjerim-pirenena ity aza gaga manoloana izao zava-misy ao an-tanànany izao, ka betsaka no velom-panontaniana hoe : inona àry ity ? Ny hafa moa tsy taitra manaraby hoe : Aiza àry ianô !

 
Jean D.
 
Sary : TVM Anosy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT