Actualités

Kolonely Charles Sady tsy nahazo LP no tsy vita ny fanadihadiana


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Omaly no nandrasan’ny maro ny fanadihadiana ifotony an’ny lietnà-kolonely Charles izay tsy mety tontosa mihitsy efa ho telo herinandro izay.

Niala maina avokoa izay niandry izany satria tsy raikitra ilay izy, toy ny efa mahazatra tato ho ato. Raha araka ny filazan’ny mpisolovava azy dia “miankina amin’ny fitsarana ihany ny hanatontosana an’izany na tsia”. Tokony ho amin’ity herinandro ity, raha araka io loharanom-baovao io ihany, no hanaovana an’izany. Mazava rahateo ny baikon’ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, ny amin’ny tsy maintsy hanakatonana an’ity dosie BANI ity amin’ity taona 2010 ity. Efa vita avokoa ny fihainoan’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny ankamaroan’ireo manamboninahitra tafiditra amin’ny raharaha BANI.

Ny an’ny lietnà-kolonely Charles sisa no andrasana saingy toa tsy mety tontosa mihitsy izany aloha hatreto. Asa izay mety ho ao ambadik’izany satria manomboka hita fa arirarira hatrany izy ity ary tsy tiana ihany koa hivoaka amin’ny haino aman-jery firy. Miharihary amin’ny endri-javatra toy izao koa fa dia lasa fitaovana ampiasain’ny mpitondra amin’izay itiavany azy ny fitsarana. Ny mahagaga koa anefa dia re fa misy manamboninahitra manempoka tsy mipoitra eny amin’ny fitsarana na matetika nantsoina mba hohenoina aza, vokatr’izay dia miandry avokoa ny rehetra (?) Mahakasika ny fangatahana fahafahana vonjimaika indray dia nolavin’ny fitsarana avokoa ny an’izy rehetra, raha araka ny loharanom-baovao ao Anosy. Mbola mitohy, araka izany, ny famonjana ireo manamboninahitra ireo ary dia hanao ny fetin’ny faran’ny taona any am-ponja izy ireo. Efa fahazarana ihany izany ho an’ny kolonely Coutiti Assolant raha zava-baovao kosa ho an’ny ambiny. 

r.d
 
Na izany aza anefa dia hita teny an-toerana ny Jeneraly roa omaly. Raha araka ny fantatra dia vavolombelona izy ireo ary isan’ny nanao ny fifampiraharahana (négociation) tamin’ireo manamboninahitra izay notarihin’ny Jeneraly Rakotonandrasana Noëll nandritr’ireny andro mafana teny amin’ny BANI ireny. Lasa toerana ifamezivezen’ny be galona arak’izany ny lapan’ny fitsarana tato ho ato, hatramin’izay niatombohan’ny fanadihadiana an’ity raharaha fikasàna hanongam-panjakana ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT