Actualités

Horonantsary FPVM Omaly vao nisy ny fitoriana


  • Alarobia 29 Desambra 2010


Araka ny fantatra dia omaly vao nisy ny nametraka fitoriana mahakasika ilay horonantsary mamoafady notontosaina tao amin’ny fiangonana FPVM. Mahagaga ihany izany satria raha efa andro maromaro izay no nivoaka tamin’ny internet ity horonantsary ity dia omaly vao tapa-kevitra hanokafana ny famotorana ireo tompon’andraikitra ao aminy. Raha ilay horonantsary aloha dia niaiky ireo mpino ao amin’ity fiangonana ity fa tena tao anatin’ny trano fiangonana etsy Antaninanandrano mihitsy ilay izy no natao.

Misy koa anefa ny milaza fa efa tamin’ny volana aogositra 2010 teo no nanaovana izany. Fotoana izay fialantsasatry ny maro eo anivon’ity fiangonana ity ka nohararaotin’ireo olon-dratsy ny nanao ny filany. Toa mahagaga ny maro ihany anefa ity raharaha ity satria miseho tava avokoa ireo olona ao anatin’ilay horonantsary ary misy aza ireo mpino no milaza fa mahalala ny sasany amin’izy ireo. Omaly aloha dia tsy mbola nisy ny fisamborana. Ho hita eo ny tohiny ! 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT