Fizahantany : Asa vaovao miisa 1156 no niforona tao amin’ny tontolon’ny fizahantany tamin’ity taona 2010 ity. Azo hanaporofoana ny firoboroboan’ity sehatra ity izany araka ny nambaran’ny ministera mpiahy.
Diplaomasia : Manaiky ny hametrahan’ny SADC ny masoivohony eto Antananarivo ny avy ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, fantatra ihany koa fa hanokatra masoivoho telo vaovao any Maroc, Singapour ary Torkia isika atsy ho atsy ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra amin’ireo firenena ireo.
Tsy mbola voavaha : Hanao fivoriambe ny 3 janoary ho avy izao mba handinihana ny zavatra hataon’izy ireo ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES. Tsy mbola voavaha moa ny olana nampitokona azy ireo, ary ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony dia nilaza fa handray fepetra hentitra raha mbola mitohy ny grevy amin’ny herintaona.
AKFM : Vonona hiatrika ny fifidianana ny AKFM araka ny nambaran’ny filohany Jaozandry Philippe, ary tokony hotanterahana haingana izany satria ny fifidianana ihany no hahafahana miverina amin’ny ara-dalàna sy mamaha ny krizy, araka ny filazany.
Nitotongana : 34% tahan’ny fahafahan’ny Malagasy manondrana entana any ivelany. 72% anefa izany 27 lasa izay. Ny fiakaran’ny vidin’ny solika, fiakaran’ny vokatra ivelany (COMESA, SADC), no voalaza fa anton’izy io. Eo koa ny hoe : tsy marin-toerana ny fanondranantsika entana. Misy noho izany ezaka tsy maintsy atao.
Tsy tazana : Tsy hita maso eny Behoririka sy Soarano intsony ireo mpiasan’ny Kaominina mpanenjika ny mpivarotra amoron-dalana. Nahazo aina ireto farany noho izany koa dia mivarotra ao anaty arabe soa aman-tsara, ka mampitohana isan’andro ny fifamoivoizana.
Maimaimpoana : Hiavaka ny fandraisana ny taona vaovao ao Analavory, kihon-dalana amin’ny tapany afovoany andrefana amin’ny faritra Itasy. Maimaimpoana ny hetsika rehetra eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna sy ny Tranomponolona, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna, ary banja malalaka no hitsenan’ny ao an-toerana ny taona 2011.
Tsy raikitra : Nodimandry i Fabrice iray amin’ny mpikarakara ilay hetsika soirée année 30/40 saika hotontosaina ny 31 desambra eny amin’ny CCI Ivato. Noho izany trangam-piainana mampalahelo izany dia voatery hampiato ny fikarakarana ireo tompon’andraikitra. Araka izany dia tsy ho tontosa ny alim-pandihizana entina handraisana ny taona vaovao, izay karakarain’ny HARDIE Com sy ny +261 events. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana ny ekipan’ny gazety Tia Tanindrazana.
Fomba fanaovana politika : Nandray anjara mavitrika tamin’ireo dinika famahana krizy ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, ary nitondra fomba fanaovana politika vaovao hatramin’izay herintaona nijoroany izay, hoy ny filohany Saraha Georget. Ankehitriny dia misandrahaka amin’ny distrika rehetra sy ny Faritra 22 ny antoko. Nambarany fa mitaky ny fizarana ara-drariny sy ara-dalàna ary mangarahara ny tombotsoa azo amin’ny zavaboary izy ireo. Ary mametraka ny olombelona ho ivon’ny fampandrosoana, sy ho tompon’andraikitra, mpiombon’antoka, ary mahazo tombontsoa mivantana amin’ny tontolo iainana.
Tsy mbola misy : Fiaraha-mitantana no ifampitondrana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ary toy izay koa ny fandraisana fanapahan-kevitra, hoy i Serge Ratovondrainy, filoha nasionalin’ny antoko Madagasikara Firaisankina (MAFI) iray amin’ireo antoko mandrafitra ny Ankolafy Ravalomanana sady mpikambana ao amin’ny Udem Pro. Koa raha tsy ny filohan’ny Ankolafy no miteny na ireo olona efatra filohan’antoko no miara-manapa-kevitra dia mandeha amin’ny anarany manokana ny Tiako I Madagasikara amin’izay fihaonana ifanaovany amin’ny ESCOPOL, fa tsy mbola misy resaka ankolafy Ravalomanana hatreto.
Mifampihaino : Maromaro ihany izay fihaonana na fikaonan-doha natao tetsy sy teroa nandritra ity 2010 ity. Mahavelombolo izany, hoy i Vaovao Benjamin satria midika fa mbola mifampihaino ny Malagasy ary afaka mifampiresaka na tsy ny sokajin’olona manontolo aza. Natao ny “Teny ifampierana”, “Dinika Santatra”, “Fihaonambem-pienena”, tonga ny iraky ny SADC, Escopol, UDR, CNOSC … mandray anjara hatrany ny rehetra na nifanaraka na tsia. Misy ny fivoarana amin’ny tsara, hoy izy raha miohatra amin’ny tany andalam-pandrosoana mandalo krizy toa an’i Madagasikara.
Fanisam-bahoaka : Mijoro ny Komitim-pirenena hitarika io fanisam-bahoaka io. Nisokatra omaly tao amin’ny Motel Anosy ny atrikasa manodidina izany. Ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany. 17 taona aty aoriana indray vao hisy izany, raha tokony hatao isaky ny 10 taona. Aorian’izao fisantarana izao dia hatsangana ny Komity any amin’ny Faritra. Olona 30.000 ka hatramin’ny 35.000 no indray hahetsika rehefa raikitra ny fanisam-bahoaka. Hiasa mandritra ny 15 andro izy ireo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.