Ny 28 oktobra teo dia nandefasan’ny ONE na ny Ofisy nasionalin’ny tontolo iainana, «lettre de mise en demeure » ny orinasa MainLands Mining Ltd, izay mitrandraka ny fasimainty sy «zircon» ao Anjahambe sy Analampontsy faritra Analanjirofo.
Ny antony dia noho ity orinasa sinoa ity tsy manaja ny bokin’andraikitra na «cahier des charges» nifanekeny tamin’ny fanjakana Malagasy efa ho efa-taona izao. Iray volana eo izao ity taratasy ity mba hanitsiana ny tsy mety sy ny lalàna tsy voahaja, izay no nahatonga ny ONE nidina tany an-toerana mihitsy ny 16 sy 17 desambra 2010 teo nanamarina sy nanao fanaraha-maso ary fanadihadiana mikasika ity olana ao Anjahambe sy Analampontsy ity. Tsy fantatra anefa ny vokatry ny fanadihadiana ifotony natao, fa hatramin’izao dia mbola mitrandraka sy miasa ity orinasa sinoa mitrandraka ny fasimainty sy «zircon» ity.
Lasa hatramin’ny fasana
Raha ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny MainLands Mining Ltd dia mirefy 850km amin’ny morontsiraka atsinanana Malagasy ny fitrandrahana tokony hataony. Roa taona teo anefa izay dia niitatra hatrany an-tanànan’olona manodidina ny fitrandrahana ataon’ireto Sinoa ireto eny alainy hatramin’ny tany eny amin’ny fasan’olona mihitsy aza. Vidiana 8.000 ariary ny hekitara iray araka ny fifanarahana sy ny firaketana an-tsoratra amin’ny fifanarahan’ny mponina sy ny orinasa. Raha tonga anefa ny fotoana dia tsy nisy afa tsy 2.000 ariary monja izany, izay mahatonga ny fahatezeran’ireo mponina manodidina sy ny zanak’Analanjirofo.
Tsy vitan’ny manao izay tiany ireto Sinoa ireto, fa mbola miasa amin’ny fitaovana tsy manaraka ny toetrandro ihany koa. Mbola bulldozer sy angady ary tanana no miasa, na ny tampim-bava aza tsy misy, nefa irahana mahalala fa ny «zircon» 15kgs dia misy «Oxyde d’Uranium» 1,5%, izany hoe misy taratra simika. Raha ny tombana anefa, tsy nahazoam-baovao ny teo anivon’ny orinasa, tao anatin’ny telo taona tena nitrandrahana ny vokatra, dia manodidina ny 15.000 taonina ny vokatra efa naondrana sy nivezivezy tamin’ny lalam-pirenena faha-05
Aretina hafahafa
Ankehitriny dia itrangana aretina hafahafa ao an-tanànan’Anjahambe sy Analampontsy Analanjirofo. Maro amin’ireo mpiasa, izay mponina manodidina ny fitrandrahana ihany, no tratry ny fahasemporana sy aretin-tratra ankehitriny. Efa betsaka amin’ireo mpiasa no tsy afaka miasa intsony nefa tsy misy miraharaha. Hitrangana fihitsanam-bolo ihany koa ireo zaza madinika manodidina ny fitrandrahana, izay tsaboin’ireo ray aman-dreniny ihany fa tsy mety sitrana. Ireo antitra sy marefo ankilany tratry ny fiakarana tosi-dra sy fahasemporana lava. Efa nitaraina tamin’ny alalan’ny Filoham-pokontany ihany ireo mponina, na teo anivon’ny tompon’andraikitry ny orinasa, na teo anivon’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo, na teo anivon’ny Faritra Analanjirofo, saingy tsy nisy mpanohina ny antson’izy ireo, ka izao mitohy izao ny aretina hafahafa vokatry ny fitrandrahana ireo fasimainty sy Zircon io.
Ankoatra izany, dia fantatra ankehitriny fa iray tarika amin’ilay orinasa sinoa Wisco nahazo ny fitrandrahana ny vy ao Soalala, ity “Mainland Mining Ltd” ao Soanierana Ivongo ity. Mitentina 70.000 tapitrisa ariary ny vola entiny manao ny fitrandrahana, nefa fiara vaventy tsy misarona akory ny hitaomana ny vokatra manaraka ny lalam-pirenena faha-5 na nifanarahana ao anatin’ny bokin’andraikitra aza fa tokony hosaronana labasy vita amin’ny viraty manify ny vokatra hialana amin’ilay taratra simika hita ao anatin’ny zircon.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.