Actualités

Tany eny Ivandry Nobodoina olona ambony FAT


  • Alarobia 29 Desambra 2010


Tany iray eny Ivandry no fantatra fa nobodoin’ny tompon’andraikitra ambony avy amin’ny FAT iray. Herintaona izay no nahavoatendry azy ity hanana andraikitra amin’izao fitondrana misy izao ary araka ny loharanom-baovao dia tsy manana trano eto an-drenivohitra izy. Nanofa izy raha vao nahazo toerana ka rehefa nandeha ny fitantanana dia tsikariny ity tany iray izay anisan’ny tsara toerana teny Ivandry ity. Nodongiany avy hatrany ilay tany ary voatery ankolaka ihany ny tompon’ilay tany. Tsy afa-nanoatra mantsy izy fa nanaiky satria “olobe” no mifanaraka amin’ny tena. Haingana dia haingana ny fanorenana trano teo amin’ilay tany ary mbola ankamantatra ihany koa ny vola nanaovana izany. Amin’izao fotoana izao dia efa mitsangana ny tranony ary mifefy tamboho avo dia avo. Toa nofinofy sisa ny an’ireo tompon’ny tany izay novidiana tsy araka ny tokony ho izy. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT