• Zoma 07 Janoary 2011
Actualités.Tanin’ny Kaominin’i Toamasina I Nisy nivarotra tamina Karana ?

«Namidin’ny Ben’ny tanàna teo aloha an-tsokosoko ny tanin’ny Kaominina etsy Bazary be, nefa efa nisy tetikasa hanamboarana azy io ho lasa ‘Maison de La Réunion’ eto Toamasina», izay no nambaran’i Ricky Dinh Van lefitra faharoa ny PDS nisolo toerana an-dRtoa Naharimamy Irma.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 07 Janoary 2011
Actualités.Sakoroka tao Analakely Polisin’ny tsena 1 sy mpivarotra 1 naratra

Raikitra ny ady saritaka teny Analakely omaly. Efa niharitra hatramin’ny talata ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina ny Lapan’ny tànana vaovao araka ny fantatra teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 07 Janoary 2011
Actualités.Fifehezana ny vidim-bary Ho fantatra anio ny tena marina

Hisy indray amin’ity anio ity ny fihaonan’i Andry Rajoelina amin’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo teknisianina maro samihafa momba ny famerana ny vidim-bary.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 07 Janoary 2011
Actualités.Olan’ny oniversite Hihaona ny SECES sy ny ministra Tongavelo

Ny vavabe tokoa no tsy atao betsaka araka ny fitenenana. Raha nandrangaranga sazy ho an’ireo mpampianatra mpikaroka tsy mbola mandray ny asany ingahy Tongavelo Athanase, ministry ny fampianarana ambony ny faran’ny taona teo dia fantatra izao fa hisy ny fihaonana eo aminy sy ny SECES.

Hamaky ny tohiny
FTT