Actualités

Sakoroka tao Analakely Polisin’ny tsena 1 sy mpivarotra 1 naratra


  • Zoma 07 Janoary 2011

Raikitra ny ady saritaka teny Analakely omaly. Efa niharitra hatramin’ny talata ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina ny Lapan’ny tŕnana vaovao araka ny fantatra teny an-toerana.

Miharitra izy ireo satria misetrasetra ireo “sécurité”-n’ny tsena. Miakanjo maintsy izy ireo dia misy soratra mavo eo amin’ny ilany havia akaikin’ny fo. Tsy naharitra intsony ireo mpivarotra omaly fa namaly bontana. Raikitra ny sakoroka satria be noho vitsy ireo miakanjo mainty. Nifanenjehan’ireo mpivarotra anefa izy ireo ka ny sasany nihazo ny Kaomisarian’ny Polisy Boriborintany voalohany ary ny sasany nihazo ny Foiben’ny Polisy eny Tsaralalana. Nisy iray tamin’ireo miakanjo mainty no tratran’ireo mpivarotra ka niharitra ny vono sy ny daka. Naratra moa izy vokatr’izany. Ankoatra izay dia nisy ihany koa naratra ny iray tamin’ireo mpivarotra izay voalaza fa voavelin’ny kibay nampiasain’ireo niakanjo mainty.

Tokony tamin’ny roa ora tolakandro no nitrangan’izany rehetra izany ary tsy nifarana raha tsy ora iray mahery taty aoriana. Fanapoahana basy nataon’ny Polisy no nanajanonana izany ary niverina nivarotra ireo mpivarotra rehetra taorian’ilay savorovoro. Ny hariva tokony tamin’ny 5 ora dia tazana ireo niakanjo mainty niaraka amin’ny polisy nitondra basy nentin’ny fiara mazda miloko manga an’ny Kaominina nivezivezy teny Analakely. Araka ny loharanom-baovao dia hanao hetsika goavana izy ireo anio. Etsy andaniny ny mpivarotra izay mitaraina mafy satria sady efa voaroaka tamin’ny asa no mbola volana janoary mafy indrindra ihany koa izao voarara tsy mahazo mivarotra izao. Nisy mihitsy ny latsa-dranomaso omaly. Be sandry avokoa ireo miakanjo mainty ireo ary an-jatony izy ireo amin’izao fotoana izao araka ny fantatra. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

Hijery ny tohiny
FTT