Actualités

Raharaha FPVM MD ny efatra, pasitera ny iray


  • Zoma 07 Janoary 2011


Nalefa eny Antanimora avokoa ny efatra tamin’ireo 7 voapanga mikasika ny raharaha horonantsary FPVM. Taorian’ny fanolorana ity raharaha ity omaly dia avy hatrany nentina teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Ilay pasitera FPVM any Mahajanga, ilay hoe : Rija voalaza fa nalana devoly sy mpilalao fototra ao amin’ilay horonantsary, ny iray tamin’ireo mpiandry izay nanala ny devoly ary ilay mpaka sary, ireto voatana ireto. Navotsotra kosa ny mpiandry iray sy ilay vehivavy voalaza fa mpamosavy ka namporidana tao amin’ilay horonantsary ary i Karana voasambotra tany Mahajanga.

Nilaza moa ny mpisolovavan’ireo voampanga ireo fa tokony hisy ny fijoroana vavolombelona hoan’izay milaza fa tena fanalana devoly tokoa no natao tamin’io nanatontosana ilay horonantsary io na tsia. Ny 8 febroary izao no fantatra fa hatao ny famotorana ifotony ity raharaha ity. Mpitsara teo aloha no fantatra fa mpitory tamin’ity raharaha ity izay voalaza fa misolo tena ny filohan’ity fikambanam-pinoana ity. Mandeha koa ny resaka fa nanjakan’ny “intervention” avy etsy avy eroa ity raharaha ity. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT