Actualités

Olan’ny oniversite Hihaona ny SECES sy ny ministra Tongavelo


  • Zoma 07 Janoary 2011

Ny vavabe tokoa no tsy atao betsaka araka ny fitenenana. Raha nandrangaranga sazy ho an’ireo mpampianatra mpikaroka tsy mbola mandray ny asany ingahy Tongavelo Athanase, ministry ny fampianarana ambony ny faran’ny taona teo dia fantatra izao fa hisy ny fihaonana eo aminy sy ny SECES.

Anio na rahampitso no hotontosaina io fihaonana io araka ny vaovao avy amin’ny mpitarika ny SECES eto Antananarivo. Vy nahitana izao fiverenana an-databatra boribory eo amin’ny roa tonta izao ny Conseil Scientifique de l'Université izay nivory niaraka tamin’ny mpitarika ny SECES eto Antananarivo ny 05 janoary lasa teo. Samy niaiky moa na ny SECES na ny Conseil Scientifique de l'Université ahitana ny mpitantana ny oniversite miaraka amin’ireo filohan’ny departemanta sy talen’ny sekoly miisa fito nandritra io fivoriana io fa manana ny rariny ny mpampianatra mpikaroka amin’ny fitakiany.

Samy resy lahatra koa anefa izy ireo fa tsy azo ihodovirana ny fiverenena mifampidinika mba hiverenenan’ny fampianarana sy ny fikarohana eny amin’ny anjerimanontolo izay niato efa am-bolana maro izao. Naneho fihetsika maneho fahavonona handamina ny raharaha tokoa ny SECES Antananarivo satria ankoatra ny fanekena hihaona amin’ny ministra dia nanaiky ny hanokafana indray ny vavahady fidirana ny oniversite izy ireo. Fa isany nivoitra nandritra io fivoriana ny 05 janoary io koa ny fanambaran’ny roa tonta fa tsy azo eritreretina mihitsy ny hanombohan’ny taom-pianarana manaraka raha tsy feno avokoa ny fepetra rehetra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT