Hisy indray amin’ity anio ity ny fihaonan’i Andry Rajoelina amin’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo teknisianina maro samihafa momba ny famerana ny vidim-bary.
Araka ny nambara tamin’ny alarobia lasa teo moa dia tanjona ny hamerana ny vidin’ny iray kilao amin’ny vary eny an-tsena mba tsy hihoatra ny 1200 ariary, raha toa ka efa tafakatra hatrany amin’ny 1500 ariary izany amin’izao fotoana. Anio, araka ny nambaran’ny filohan’ny tetezamita no ho fantatra ny vidin’ny vary tena izy eny an-tsena, vidim-bary izay amin’ilay takatry ny besinimaro. Ny fampihenana ny tataon-ketra alaina amin’ireo mpandraharaha mpanafatra vary no tena niverimberina tamin’ilay fihaonana voalohany. Voalaza mantsy fa tsy voatery hamoaka vola hanaovana “subvention” ny fanjakana, fa afaka kosa mampihena ny vola miditra aminy. Ny mahagaga amin’ity resaka ity fotsiny dia tsy misy resaka ny amin’ireo mpandraharaha sy mpamongady, efa fantatra hatry ny ela fa manafina vary, ary mamoaka sy mivarotra izany amin’ny vidiny lafolafo kokoa rehefa maitso ahitra.
Ekena fa misy ny vary afarana avy any Pakistan, Inde … saingy tsy avy any daholo ny vary amidy eto, fa misy novokarin’ny tantsaha Malagasy avy any Alaotra, Marovoay sy avy amin’ny faritra maro, ka nahoana no mitovy ny vidin’ireo vary ireo na dia samihafa aza ny hetra alaina aminy ? Io fanontaniana io no manitikitika ny mpanara-baovao ; ary manampy izay dia nahoana no tsy nanambara ny fepetra ho raisina ho an’ireo mpanafina vary ireo ny fanjakana fa fampihenana ny hetra sy haba alaina amin’ny vary nafarana fotsiny no nambara. Noho ny fisian’ireo mpanafina vary ireo no nahasarotra ny fifehezana ny vidim-bary teto Madagasikara hatramin’izay: Ny orinasa Malagasy govana, tahaka ny Fanampy Rice Mill, ny Magro izay tena nitady ny paika rehetra hitsinjovana ny vahoaka, sy nitazomana ny vidim-bary ho 1100 ka hatramin’ny 1200 ariary rahateo moa efa potika sy rava, koa tsy ho mora ny raharaha satria ny ankamaroan’ireo mpandraharaha izay teratany vahiny dia tsy mahalala afa-tsy ny tombotsoany ihany. Mety ho tafidina ihany ilay vidim-bary fa tsy haharitra ela; ho hita eo ny ho vokatry ny fivoriana anio sy ny famiharana ny fehin-kevitra tapaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.