Actualitテゥs

Tanin地y Kaominin段 Toamasina I Nisy nivarotra tamina Karana ?


  • Zoma 07 Janoary 2011

ォNamidin地y Ben地y tan瀟a teo aloha an-tsokosoko ny tanin地y Kaominina etsy Bazary be, nefa efa nisy tetikasa hanamboarana azy io ho lasa 閃aison de La R騏nion� eto Toamasinaサ, izay no nambaran段 Ricky Dinh Van lefitra faharoa ny PDS nisolo toerana an-dRtoa Naharimamy Irma.

Raha ny filazan’i Ricky Dinh Van azy hatrany dia «efa nisy vola 30.000 euros izany nomen’ny Kaominin’i Le Port ny Kaominin’i Toamasina hanaovana ny asa, saingy nanjavona ihany koa izany vola izay». Ny nahagaga tamin’ity raharaha ity, dia enim-bola taorian’ny nipetrahan’ny PDS sy ekipany teo amin’ny fitantanana ny tanana no nipoitra indray ity raharaha na vola 30.000 euros ity. Io vola io anefa no nanetsehana ny fanalana ny Ben’ny tanàna teo aloha tamin’ny toerana, izay ny praiministra mihintsy no tonga tao Toamasina nanao ny famindram-pitantanana, saingy tsy vita hatramin’izao, sy efa nanaovana fanadihadiana azy teny amin’ny zandary araka ny fitoriana teo anivon’ny lehiben’ny fampanoavana. Raha ny filazan’i Ricky Dinh Van azy hatrany dia «Karana manao fanondranana tsaramaso sy voamaina any ivelany izany no nahazo ny tany».

Tsy nisy aloha ny antontan-taratasy naheso ny mpanao gazety nandritra ny fanazavan’ity lefitra faharoa ny PDS CUT ity, fa ny filazany dia «na ny tompon’andraikitra misahana ny fandaminana ny tananan’ny kaominina aza tambazan’ity Karana ity vola be hamoaka ny fahazoan-dalana hanao fandraivana ilay trano». Raha nijery ifotony ny mpanao gazety, hita fa efa mifefy ilay toerana voalaza, ary efa nidiovina ny lobolobo tao anatiny. Ireo mpivarotra sy ilay polisy nipetraka tamina trano kely tao anatiny ary ilay mpanamboatra kiraro tao, efa niala avokoa. Ankoatra izay, ity tokontany ity no nampian-trano ny Polisy Scientifique nandritra ny fanamboarana ny tranony ao Bazary kely, ary efa Biraon’ny polisy ihany koa tany aloha, talohan’ny nandravan’ny rivodoza «Honorine» azy. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN窶儂Y
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT