• Alakamisy 15 Martsa 2012
Actualités.CENIT Hivory voalohany anio

Hiatrika fivoriana ofisialy voalohany etsy Alarobia, misy ny foiben’ny CENI teo aloha, ireo mpikambana 22 voatendry handrafitra ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita na CENIT.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Martsa 2012
Actualités.Fandraharahana ny fonja Mamofompofona savorovoro

Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja eto Madagasikara manoloana ny hosoka sy kolikoly ary tsy fahamarinana nanjaka nandritra ny fanadinana handraisana ho mpandraharaha ny fonja natao ny novambra 2011.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Martsa 2012
Actualités.Hopitaly be Toamasina Tsy misy “oxygène”, mijaly ireo hodidiana

Raha ny fandaminana hatramin’izay teo anivon’ny hopitaly be, dia ny telo volana farany amin’ny taona nivalona no fanaovan’izy ireo ny tolo-bidim-panjakana mikasika ny fividianana ireo fitaovana ilain’ny mpitsabo rehetra ho an’ny taona vaovao, anisan’izany ny “oxygène” ilain’ny sampana fandidiana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Martsa 2012
Actualités.Frantsa Mandady ny trambo

Araka ny fanambarana an-taratasy nataon'ny masoivohony eto amintsika dia mahita sy mahatsapa ny fanjakana Frantsay fa mitombo ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, ary maro koa ny teratany Frantsay hiharan'ny herisetra sy ny fanafihana mitam-piadiana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Martsa 2012
Actualités.Fa misy inona ? Manampahefana nanofa "chambre" hiafenana

Nisy tamin'ireo tomponandraiki-panjakana ambony ao anatin'izao fitondrana tetezamita izao no nanofa efitrano manokana tao amina toeram-pitsaboana iray, eto Antananarivo mba hisitrihana ny alin'ny 7 martsa lasa teo raha nanomboka nitokona ny teny amin'ny tobin'ny CAPSAT Soanierana teny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 14 Martsa 2012
Actualités.Avaradoha Fiara mpaka fako nibahan-dalana

Fanirian’ny rehetra eto an-drenivohitra ny hampadio ny tanàna sy tsy hivangongoan’ny fako etsy sy eroa.

Hamaky ny tohiny
FTT