Fanirian’ny rehetra eto an-drenivohitra ny hampadio ny tanàna sy tsy hivangongoan’ny fako etsy sy eroa.
Tsapa anefa tato anatin’ny roa herinandro teo izao fa tena misavovona ny fako ary maimbo ny faritra maro. Ary rehefa niroso tamin’ny fandraofana sy fanangonana ny fako indray ny kaominin’Antananarivo Renivohitra dia niteraka olana hafa izany, tahaka ny nitranga teny Avaradoha omaly maraina. Tamin’ny 7 maraina tany, no nanomboka tonga teo amin’ilay dabam-pako goavana ampitan’ny biraon’ny fokontany Avaradoha, amin’iny lalana miakatra any amin’ny Hopitaly Miaramila (HOMI) Soavinandriana iny, ny kamio be iray an’ny CUA niaraka tamina mpiasa maromaro, mba handamina sy handroaka ireo fako efa tena misavovona sy mibahana ny antsasaky ny arabe.
Ny olana anefa dia ao anatin’ny fotoana tena mahabetsaka ny fiarakodia mifamezivezy io ora io, satria ao ireo mamonjy toeram-piasana, mifanaretsaka koa ny mpianatra mamonjy ny sekoly. Matevina dia matevina, araka izany, ny fifamoivoizana satria mifanesika eo ny fiaran’olon-tsotra, ny taksibe ary ny fiarakaretsaka. Ny tena loza tamin’ity raharaha ity dia sahirana ireo fiara manokana mpitondra marary raha hamonjy ny HOMI satria nikatso tanteraka ny lalana, ny taksibe sasany koa moa manao ny ataony, mibahan-dalana sy mijanona maharitra amin’ny fiantsonana, ary misy ihany koa ny fiaran’olon-tsotra diso tia tena loatra ka tsy mahalala afa-tsy ny tenany ihany. Mbola manampy trotraka izany rehetra izany ny tsy fisian’ny mpitandro ny filaminana, nandrindra ny fifamoivoizana teo amin’io toerana io.
Niteraka fahasorenana ho an’ny mponina manodidina sy ireo izay nampiasa fiara nandalo tamin’iny toerana iny moa ity toe-javatra ity. Ekena fa manao ny asany ny Kaominina sy ny SAMVA amin’ny fanangonana ny fako, fa mba tokony hisy fandaminana matotra, ka sady mba vita ara-dalàna sy ara-potoana ny asa, no sady voahaja ihany koa ny fahafahan’ny hafa mifezivezy an-kalalahana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.