Actualités

Hopitaly be Toamasina Tsy misy “oxygčne”, mijaly ireo hodidiana


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Raha ny fandaminana hatramin’izay teo anivon’ny hopitaly be, dia ny telo volana farany amin’ny taona nivalona no fanaovan’izy ireo ny tolo-bidim-panjakana mikasika ny fividianana ireo fitaovana ilain’ny mpitsabo rehetra ho an’ny taona vaovao, anisan’izany ny “oxygčne” ilain’ny sampana fandidiana.

 Tsy izay anefa no nisy tamin’ity taona ity noho ny trosa miavosa tsy voaloan’ny fanjakana amin’ireo hopitalim-panjakana, toa an’i Toamasina, ka mahatonga ireo mpamatsy ny fitaovana ilaina tsy nanome intsony. Vokatr’io tsy fisian’ny “oxygène” io, dia tsy misy fandidiana azo atao eo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina. Ireo fandidiana maika ka afaka miantoka ny “oxygène” ampiasaina no didian’ny mpitsabo, eo koa ireo marary afaka mividy na manofa no afaka mandalo fandidiana. Ireo mbola azo omena fanafody fampihenana fanaintainana dia miandry izay hivahan’ny olana. Hatreto izany, dia “miandry fa Gasy”. Na izany aza, tsapa fa dia manao ezaka amin’ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ny marary ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy eo anivon’ny hopitaly be Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT