Actualités

Fandraharahana ny fonja Mamofompofona savorovoro


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja eto Madagasikara manoloana ny hosoka sy kolikoly ary tsy fahamarinana nanjaka nandritra ny fanadinana handraisana ho mpandraharaha ny fonja natao ny novambra 2011.

 Nisy fanambarana nataon’izy ireo, mitaky ny hanafoanana ny valin’io fanadinana io. 150 ny isan’ireo voaray tamin’io fanadinana io, mitsinjara amin’ny sokajy telo dia ny «Contrôleur», nitakiana mari-pahaizana «bac+2», raha bakalorea ho an’ireo «Greffier Comptable», ary Bepc ho an’ireo «Agent Pénitentiaire». Nambaran’ny sendika anefa fa tsy nisy fijerena taratasim-panadinan’ireo mpiadina fa zary toerana nifampizaran’ireo debadeba no nifantenana ireo olona 150 nafahana ireo. Nanamarika ny mpikambana ao amin’ny sendika fa dia tamin’ny sokajy “Agent» dia nisy anaran’olona iray miverina in-droa.

Tao amin’ny sokajy “Contrôleur” indray dia anaran’olon-kafa no misoratra amin’ny laharana fiantsoana tamin’ny fanadinana. Manginy fotsiny ny fisiana anarana fianakaviana tompon’andraikitra maromaro anatin’ny lisitra nafahana. “Hanao ahoana ny hoavin’ny fandraharahana ny fonja ?”, hoy ny sendika manoloana izany. Efa nisy taratasy nalefan’izy ireo tany amin’ny praminisitra ny 20 febroary 2012 milaza ity toe-javatra ity, ka nitakian’izy ireo ny hanafoanana io valim-panadinana io. Milaza ny handray ny andraikitra ny sendika raha misy ny fiziriziriana hampiditra ireo mpiadina afaka amin’ny alatsinainy 19 martsa 2012 ho avy izao ao amin’ny Sekoly Antetezambaro, Toamasina II. Fivoriambe hatao eny Antanimora no hamaritra ny hetsika hataon’ny mpandraharaha ny fonja amin’izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT