Actualités

Frantsa Mandady ny trambo


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Araka ny fanambarana an-taratasy nataon'ny masoivohony eto amintsika dia mahita sy mahatsapa ny fanjakana Frantsay fa mitombo ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, ary maro koa ny teratany Frantsay hiharan'ny herisetra sy ny fanafihana mitam-piadiana.

 Tsara homarihana fa mialoha izao dia efa nisy ny fahantongavan'ireo miaramila Frantsay 42 teto, izay nambara fa hampiofana ny miaramila Malagasy. Ho an'ny mpanara-baovao sy mahafantatra ny politikan'i Frantsa, dia tsy tongatonga ho azy io fanambaran'Atoa Jean Marc Chataigner io, izay nampahafantariny ny governemanta Beriziky, fa tena ao raha ! Ny mby tonga ao an-tsaina avy hatrany dia mety hanao ny fomba efa mahazatra azy tany amin'ny firenena Afrikanina maro i Lafrantsa ka handefa miaramila hiditra tsimoramora eto Madagasikara. Ambara avy eo fa tonga mba hiaro ny masoivoho sy ny mpiasa rehetra ao, ary ny teratany Frantsay eto, ireo miaramila ireo, satria hita fa sady tsy ampy olona sy fitaovana ny mpitandro ny filaminana malagasy, no tsy manana traikefa ihany koa. I Frantsa rahateo moa dia efa manana fifanaraham-piaraha-miasa ara-tafika amintsika, koa tsy ho sarotra aminy ny handefa miaramila eto.

Tamin'ny 2002 dia nandefa miaramila tany Cote d'Ivoire tamin'ny alalan'ny Opération Licorne i Frantsa. Nambara tamin'izany fa hery mpanelanelana na “Force d'interposition” izy io. Nizara roa mazava mantsy i Cote d'Ivoire tamin'izany fotoana ka nisy ny tafi-panjakana ary nisy koa ny mpioko nivondrona tao amin'ny Alliance du Nord. Nambara koa fa hiaro sy hampody ny teratany Frantsay tany an-toerana ireo miaramila ireo. Taty amin'ny 2011 dia mbola mitoby any ihany ny tafika Frantsay ary tena nandray anjara mavitrika tamin'ny fanafihana sy fisamborana ny filoha Laurent Gbagbo. Maro be ny tombontsoan'ny Frantsay eto, izy rahateo dia firenena nanjanaka an’i Madagasikara nandritra ny 60 taona. Sarotra ny hino fa hanaiky hizara izany amin'ny hafa izy ireo, efa tsy eo intsony koa ilay sakana lehibe dia tsy iza fa i Marc Ravalomanana. Mampiasa ny saribakoliny eto ny Frantsay ankehitriny ary vonona amin'ny zava-drehetra mba hiarovana ny tombontsoany. Mandady ny trambo ary misoko miadana ny paikadin'ny mpanjanatany fahiny. Dia mba ho hita eo amin'izay ary ilay hambom-pom-pirenena sy fiandrianam-pirenena nahadedaka ny FAT hatramin'izay e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT