Actualités

Fa misy inona ? Manampahefana nanofa "chambre" hiafenana


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Nisy tamin'ireo tomponandraiki-panjakana ambony ao anatin'izao fitondrana tetezamita izao no nanofa efitrano manokana tao amina toeram-pitsaboana iray, eto Antananarivo mba hisitrihana ny alin'ny 7 martsa lasa teo raha nanomboka nitokona ny teny amin'ny tobin'ny CAPSAT Soanierana teny.

 Niisa 5 na 6 ireo olona ambony ireo, ka nisy ny manamboninahitra. Mazava be ny antony fa dia natahotra ny mety hiverenan'ny 8 martsa 2009 niokoan'ny CAPSAT sy tsy naneken'izy ireo handray baiko amin'ny mpitondra intsony, ireo manampahefana tsy matoky intsony ny fahefana eo am-pelatanany ireto. Amin'ny ankapobeny, raha araka ny tsiliantsofina re dia olona ambony akaikin'ny filohan'ny tetezamita izy ireo. Misy fomba fitenintsika malagasy moa manao hoe : mpamosavy mandeha amin'ny alina aza, misy mahita, ka na ahoana na ahoana fihetsiketsehana atao etsy sy eroa, indrindra moa fa raha olo-malaza na be mpahafantatra no manao izany, dia tsy maintsy misy mahita foana izany.

Mazava koa izao fa efa tsy matoky tena intsony ny mpitondra ambony sasany eto, indrindra fa ireo niara-dia tamin'i Andry Rajoelina hatramin'izay. Mety hohenjehin'ny eritreriny angamba, na mahana amin'ny zavatra tsy mety nataony. Maro koa ny mahita fa raha sanatria tena manohy ny fanaparam-pahefana sy ny tsindry bokotra ary ny fanangonan-karena ataony ireo olon'ny FAT sasany, ary tsy hanaiky mihitsy hiara-miasa amin'ny hafa amin'ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana, dia mety tsy ho afaka ny hanofa "chambre" hiafenana eto intsony, fa tsy maintsy hitsoaka ho any ivelany ihany atsy ho atsy… raha toa ka tafavoaka eto !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT