• Zoma 15 Jona 2012
Actualités.Jeneraly Lucien Rakotoarimasy Tsy fahavalo ny dahalo ?

Efa manodidina ny 200 eo ho eo, ny miaramila sy zandary nalefa any amin’ny faritra atsimon’ny nosy mba hamongotra ny asan-dahalo sy hametraka ny fandriampahalemana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 15 Jona 2012
Actualités.Ady amin’ny dahalo Mitari-tafika any atsimo ny praiminisitra

Delegasiona mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana no nanainga omaly alakamisy, ka nihazo ny faritra atsimon’ny nosy, ho any Befotaka, mba hanara-maso akaiky ny fivorian’ny toe-draharaha amin’ny hetsika hamongorana ny asan-dahalo any an-toerana, taorian’ilay tranga ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 15 Jona 2012
Actualités.Sazalahy Tsianihy Ny dahalo sy malaso no hanongana an’i Andry Rajoelina

Ny tenako Sazalahy Tsianihy, CT voatendry avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy dia maneho ny alaheloko ary miara-ory amin’ireo fianakaviana zandary maty tany amin’iny Faritra iny noho ny fampandriantany nataony tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha Betioky Atsimo sy ireo zandary sy miaramila maty tany amin’ny Faritra Anosy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 14 Jona 2012
Actualités.Lalamby Ankadimbahoaka Lasa toeram-pivarotana ihany koa

Taorian’ireny loza nateraky ny fifamoivoizana an-dalamby nitranga teto amintsika ireny, andro vitsy lasa izay, dia mbola misy ihany ireo olona sahy sy tsy taitra akory ny amin’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 14 Jona 2012
Actualités.Mpiasam-panjakana Ny hasiny mihitsy no voaviravira

Hifamory etsy amin’ny Carlton Anosy ny tolakandron’ny alatsinainy 18 jona izao ny mpiasam-panjakana rehetra eto Antananarivo. Ny fampitam-baovao nataon’ny “Cellule nationale de crise des Agents de l’Etat de Madagascar” tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa tetsy amin’ny 67 ha omaly no nahafantarana izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 14 Jona 2012
Actualités.TIKO Andranomanelatra Lasa “Zone rouge”

Mafana ary mivoatra hatrany ny tolona sy fiambenana ny orinasa Tiko Andranomanelatra ataon’ireo zanak’i Dada Antsirabe sy ny avy aty Antananarivo.

Hamaky ny tohiny
FTT