Actualités

Lalamby Ankadimbahoaka Lasa toeram-pivarotana ihany koa


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Taorian’ireny loza nateraky ny fifamoivoizana an-dalamby nitranga teto amintsika ireny, andro vitsy lasa izay, dia mbola misy ihany ireo olona sahy sy tsy taitra akory ny amin’izany.

 Raha manamorona ny lalamby no ahitana ireo mpivarotra be dia be eny Anosibe izay nisarika ilay lehilahy iray hamono tena, herinandro mahery lasa izay dia eo afovoan’ny lalamby mihitsy no anokoan’ity renim-pianakaviana iray ny entany miaraka amin’ireo zanany etsy Ankadimbahoaka. Vomanga sy voasary no amidin’izy ireo. Manomboka amin’ny 07 ora maraina izy ireo dia efa eo. Araka ny resadresaka nifanaovana taminy dia noho ity lalamby ity talaky maso sy be mpandalo no antony mahatonga azy hivarotra eo. Eo ihany koa ny tsy fananany toerana. Ekena fa misy ny olona tompon’andraikitra mampandre rehefa hisy fiaran-dalamby handalo saingy na izany aza tokony hisy ny fepetra manokana raisina mikasika itony karazana trangan-javatra itony. Antso avo, araka izany, no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky izao tranga mety hampidi-doza izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT