Actualités

TIKO Andranomanelatra Lasa “Zone rouge”


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Mafana ary mivoatra hatrany ny tolona sy fiambenana ny orinasa Tiko Andranomanelatra ataon’ireo zanak’i Dada Antsirabe sy ny avy aty Antananarivo.

 Raha ny zava-nisy omaly alarobia dia andiany maro no nigadona tao an-toerana nanafana ny hetsika. Akoatra ireo Parlemantera maro efa tao an-toerana hatramin’ny sabotsy teo dia tazana tany koa ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas, niaraka tamin’ny mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita isany Ravelonanosy Mamitiana (Analamanga) sy Rarson Hilarion (Matsiatra Ambony). Nohamafisin’izy ireo fa lasa raharaham-pirenena ny fikitihina ity orinasa ity ka takian’izy ireo ny fanafoanana tanteraka ilay didim-panjakana manery ny hanagiazana ny TIKO mba hahafahany mihodina sy mamelona indray ny toekaren’i Vakinankaratra sy ireo tantsaha manodidina.

Porofon’izany moa dia nisolo tena ireo tantsaha nandray fitenenana mihitsy Atoa Ranaivo Zakanahary, mponina ao Andranomanelatra nilaza ny hetahetan’izy ireo, indrindra ny fijalian’ny tantsaha manodidina noho ny fikatonan’ity orinasa ity. Raha ny resaka heno avy tamin’ny mpitandro filaminana dia nisy ny filazana fa tokony hakana fahazoan-dalana ity hetsika famoriam-bahoaka eo anoloan’ny vavahadin’ny Tiko Andranomanelatra ity. Ny fanazavana nomen’ireo Parlemantera anefa dia tsotra : “toy ny fiarovan’ny mpitondra sy ny miaramila an’Ambohijatovo tsy azo hidirana no hiarovan’izy ireo ny fananan’ny Dadany”. Lasa “Zone rouge” ho an’ny FAT e !

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT