Actualités

Mpiasam-panjakana Ny hasiny mihitsy no voaviravira


  • Alakamisy 14 Jona 2012

Hifamory etsy amin’ny Carlton Anosy ny tolakandron’ny alatsinainy 18 jona izao ny mpiasam-panjakana rehetra eto Antananarivo. Ny fampitam-baovao nataon’ny “Cellule nationale de crise des Agents de l’Etat de Madagascar” tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa tetsy amin’ny 67 ha omaly no nahafantarana izany.

 Ny antony, hoy Ratolojanahary Maharavo na i Doudou sy ny Dr Rakoto Ignace izay mpiara-mitantana, dia tsy miafina amin’ny mpiasam-panjakana intsony fa hatramin’ny taona 2009 ka hatramin’izao dia ny hasin’ny fanjakana mihitsy no voaviravira ka very fanahy izy ireo. Ny nandrandraina ity no nandiso fanantenana, hoy ihany izy ireo. ‘Ndao havondrona ny hery rehetra ka hijery ao anatin’ity fihaonana ity hijery mazava ny olana amin’ny asam-panajakana. Tsy misy resaka “corporatisme” na sendika ao anatin’ity fivoriana ity, hoy ny fanazavana azo ihany, fa fivoriamben’ny mpiasam-panjakana tsy an-kanavaka.

Efa tafatsangana ny komity ho fanarenana ny asam-panjakana manerana ny ministera rehetra eto Iarivo. Tsy misy ankiafinafina fa efa nifampierana tamin’ny lehibe rehetra eny anivon’ireo ministera samihafa matoa izahay eto amin’ny efitranon’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa no manao ny fanambarana. Ny lohahevitra hitondrana ny hetsika dia ny hoe : “Ny hasin’ny mpiasam-panjakana sy ny asam-panjakana tsy angatahana andro ho fanarenana ny firenena”. Vinavinain’ireo mpikarakara hosoloina amin’io fihaonana io ny anarana ho «Cellule nationale de crise des agents de l’Etat de Madagascar»

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT