Efa manodidina ny 200 eo ho eo, ny miaramila sy zandary nalefa any amin’ny faritra atsimon’ny nosy mba hamongotra ny asan-dahalo sy hametraka ny fandriampahalemana.
Omaly dia nidina tany an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny foloalindahy, anisan’izany ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy. Nanambara moa ity manamboninahitra ambony ity, omaly fa tsy tonga dia fanafihana miaramila no hotanterahana, fa mbola hifampiresaka amin’ireo dahalo aloha ny manampahefana isan-tsokajiny sy ny tompon’andraikitra amin’ny filaminana. Tsy fahavalo izy ireo tsy akory, fa malagasy tahaka antsika ihany, hoy ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy, koa tsy maintsy atao aloha ny fifampidinihana mba hametrahan’izy ireo ny fitaovam-piadiana. Rehefa tsy ahitam-bokany izany, izay vao miroso amin’ny fanafihana. Nanaitra ny olona ihany moa io fanambaran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena io, hoe tsy fahavalo ny dahalo. Raha ny fitadidiana anefa dia tsy mbola nisy izany fanjakana nifampiraharaha tamin’ny dahalo izany, fa tonga dia fanenjehana sy fisamborana no natao.
Heloka bevava melohan’ny lalàna rahateo ny halatr’omby, koa rehefa fantatra ilay olona fa nangalatra omby dia tsy misy zavatra hifampiresahana intsony ny amin’izany fa ampiharina ny lalàna. Ny nanaitra ihany koa dia efa tamin’ny sabotsy no niseho ny fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo dahalo an-jatony tany Marovitsika – Amboasary Atsimo ireo. Efa ny alahady no nandefa miaramila tany ny fitondram-panjakana, alakamisy omaly tsy mbola hita ihany izay zavatra azo atao. Tsaroana anefa ny fikomiana teny amin’ny FIGN ny 20 mey 2010, fa ny androtr’io ihany dia raikitra ny fanafihana, tsy nisy fiantsoana fifampidinihana izany fa dia tonga teny Fort Duchesne sy ny manodidina ny miaramila efa ho 600 lahy. Tsara homarihana anefa fa nisy sivily maro be teny an-toerana tamin’io fotoana io.
Teny Ivato tamin’ny raharaha BANI ihany koa, ny 17 novambra 2010 dia raikitra avy hatrany ny fanafihana, roa andro taorian’ny fanambarana nataon’ireo manamboninahitra. Miaramila sy zandary samy havanana sady mahay ny teknika rehetra amin’ny resaka fanafihana anefa ireo nikomy ireo, izany hoe tokony ho sarotsarotra kokoa ny fisamborana azy ireo. Ekena fa misy amin’ireo dahalo no mahay mitifitra sy mety mahafantatra amin’ny ampahany ihany ny paikady miaramila, tsy lavina ihany koa fa mety mitazona takalon’aina izy ireo, saingy efa manana hery vonjitaitra manokana (force d’intervention spéciale) ihany koa ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena, tahaka ny RFI sy ny GSIS ohatra. Raha ny tantara no dinihana dia tsy hisy izany dahalo hilavo lefona ka hametraka fitaovam-piadiana izany, izy ireo aza efa mihantsy ny manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Sa kosa ve mety mitombina ilay hoe tsy dahalo tsotra intsony ireto tarihan-dry Remena Bila sy Tokanono ireto, fa efa tena mpiady anaty akata ka mila paikady manokana mihitsy ny fifandonana aminy, ka izay no mbola mahatonga izao fiandrasana lava be izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.