Ny tenako Sazalahy Tsianihy, CT voatendry avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy dia maneho ny alaheloko ary miara-ory amin’ireo fianakaviana zandary maty tany amin’iny Faritra iny noho ny fampandriantany nataony tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha Betioky Atsimo sy ireo zandary sy miaramila maty tany amin’ny Faritra Anosy.
Eto dia ambarako ho ren’ny vahoaka manerana ny Nosy sy ny mpitandro ny filamainana zandary sy polisy ary miaramila fa aoka hijanona ho mpiaro ny ain’ny olona sy ny fananany ny foloalindahy dia tsy ho nisy ny toe-javatra nanalabaraka mahazo ny tandroka aron’ny vozona mitranga any Atsimo izao. Diso miandany be loatra amin’ny FAT sy Ingahy Andry Rajoelina manokana ny miaramila nakarina jeneraly tsy miatrika ady. Raha ny fandehan’ny tantara teto Madagasikara, hoy ny CT Tsianihy, nanomboka tamin’ny 1971, 1972 dia hetsiky ny vahoaka no nanongana ny mpitondra ny Repoblika voalohany. Tamin’ny taona 1991 mbola torak’izany koa. Ny tamin’ny 1996 indray dia olom-boafidy no nanongana ny Pr Zafy Albert ary tamin’ny 2002 dia mbola fifidianana niaraka tamin’ny hetsi-bahoaka no nanongana ny Amiraly. Ny taona 2009 dia miaramila no nandrombaka ny fahefana teo am-pelatanan’ny filoha Marc Ravalomanana.
Fa raha izao no izy dia ny dahalo sy malaso no hanongana an’Ingahy Andry Rajoelina. Ny hetsiky ny mpanao politika sy ny tolona sendikaly dia manambara fa tsy afaka hitondra ny vahoaka Malagasy intsony Ingahy Rajoelina fa ny malaso no hanongana azy. Fa ny hetsika atao eto amin’ny Magro indray dia hetsika ho famerenana ny hasin’ny firenena Malagasy sy hamoahana ny vahoaka manerana ny Nosy ao anatin’izao krizy izao. Ary koa ho fanentanana ny olona hitondra ny tany sy fanjakana ahazoana ny fitoniana ara-politika sy hisian’ny fandriampahalemana ahazoana ny fankatoavana iraisam-pienena ka hiverenan’ny fanomezana fanampiana ara-bola eo anatrehan’izao tontolo izao.
Mikasika ny fizirizirian’Ingahy Andry Rajoelina fa hoe aorian’ny 26 jona ny fihaonan’izy sy ny filoha Marc Ravalomanana izay nohamafisin’Ingahy Pierrot Rajaonarivelo fa hoe any ivelan’i Madagasikara no hanaovana ny fihaonana, dia famarinana an-kady tanteraka sady fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy amin’izao fahasahiranana mianjady aminy izao, hoy i Tsianihy. Izay no manaporofo ankehitriny fa misy ampahan’olona tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoan’ny fianakaviany fa ny vahoaka manerana ny Nosy dia avela hoviravirain’ny jiolahy sy dahalo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.