Actualités

Ady amin’ny dahalo Mitari-tafika any atsimo ny praiminisitra


  • Zoma 15 Jona 2012

Delegasiona mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana no nanainga omaly alakamisy, ka nihazo ny faritra atsimon’ny nosy, ho any Befotaka, mba hanara-maso akaiky ny fivorian’ny toe-draharaha amin’ny hetsika hamongorana ny asan-dahalo any an-toerana, taorian’ilay tranga ny sabotsy lasa teo.

 Nitarika ity delegasiona ity ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, ka miara-dia aminy ny minisitry ny fiarovana ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Randrianazary, ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa, ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa ary ny minisitry ny rano Reboza Julien. Fifehezana tanteraka ireo dahalo sy fakana ny fitaovam-piadiana rehetra eny am-pelatanan’izy ireo no tanjona amin’ny hetsika miaramila hotanterahana any an-toerana. Tsy maintsy miainga amin’ny famolavolana ny paikady aloha izany, dinihana ihany koa ny zava-drehetra mety hitranga, tsy maintsy fantarina ihany koa ny zava-misy marina ao amin’ilay tanàna ieren’ireo dahalo an-jatony, satria voalaza fa mitazona takalon’aina izy ireo. Mety tsy azo ihodivirana ny fampiasan-kery amin’ity raharaha ity, na dia mivonona ny hifampiraharaha amin’ny dahalo ihany aza ny mpitandro ny filaminana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT