• Alatsinainy 26 Novambra 2012
Actualités.D-Lain Amin’ny 2013 ny sanganasa voalohany

Lanonana niarahana tamin’ny mpankafy tetsy amin’ny hotely Carlton ny zoma alina teo no nanolorana an’i D-Lain ny taratasim-bola 65 tapitrisa Ariary, lokany noho ny fibatany ny amboara nandritra ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena “Castel Live Opera” andiany voalohany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 26 Novambra 2012
Actualités.FFKM Tsy te hijabaka

Tao anatin’ny fanompoam-pivavahana natao tetsy amin’ny EKAR Antanimena omaly alahady tolakandro, ka namaranana ny fivorian’ny Komity foibe faha-35, no nampitan’ny FFKM, izay vory atrika, nahitana an’ny Pastora Dr Rakoto Endor Modeste (FLM), Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina (FJKM), Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène (EKAR) ary ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM), hafatra samihafa manodidina ny krizy iainan’ny firenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Novambra 2012
Actualités.Sehatra rehetra Feno dian-tanan’ny Frantsay

Tafika, fampianarana, fotodrafitrasa, izao indray koa ny fahasalamana ! Ahitana dian-tanan’ny Frantsay mba tsy hilazana fa tsabahany avokoa ny sehatra rehetra.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Novambra 2012
Actualités.Raharaham-pitsarana Hikatso indray

“Tsy misy mihemotra amin’ny fitakianay izany eto, efa neken’ny minisitry ny fitsarana ny fangatahanay. Anisan’ny nanoro ny hevitra rehetra mba hahazoana izany, sy milaza hitondra ny raharaha eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny tenany, nefa izao nahoana no lavina indray ?”.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 22 Novambra 2012
Actualités.Fifaninanana ara-barotra Misy mihaino ve ny Savonnerie Tropicale ?

Niandry ny fitondram-panjakana ihany izahay mba hijery ny zava-misy mikasika ny fifaninanana ara-barotra misy eto amintsika, hoy Ramaroson Thierry, Tale jeneralin’ny orinasa Savonnerie Tropicale etsy Ankorondrano saingy tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Novambra 2012
Actualités.Airbus AirMad Nihitsoka teny Ivato indray

Araka ny fantatra dia voatery nahemotra omaly alatsinainy ny zotra mankany Bangkok tokony ho nanainga teny Ivato ny zoma hariva teo, satria nitrangana olana ara-teknika indray ilay fiaramanidina Airbus an’ny Air Madagascar, ka tsy afaka nanainga.

Hamaky ny tohiny
FTT