Actualités

Raharaham-pitsarana Hikatso indray


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

“Tsy misy mihemotra amin’ny fitakianay izany eto, efa neken’ny minisitry ny fitsarana ny fangatahanay. Anisan’ny nanoro ny hevitra rehetra mba hahazoana izany, sy milaza hitondra ny raharaha eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny tenany, nefa izao nahoana no lavina indray ?”.

Io no nambaran’ireo mpiraki-draharaha ny fitsarana tao Toamasina tafaresaka taminay, mikasika ity fitokonana hataon’izy ireo manomboka amin’ny alatsinainy ity. Ireo mpitsara nilaza ny heviny koa, dia maro no nanamarika fa “mila mihetsika ireo mpiraki-draharaha ireo raha tiany hivaly ny fitakiany. Aminay tsy misy ny olana  satria tsy hisy koa asa ho vita eo anivon’ny fitsarana raha tsy voajery ny mba tombontsoan’ireo mpiraki-draharaha izay miantoka ihany koa ny fampihodinana ny fitsarana”.

Dia tsy maintsy hikatso koa izany ny raharaham-pitsarana rehetra. Manomboka amin’ny fitanana an-tsoratra mandritra ny fanadihadiana, ny fandraisana ny antontan-taratasin’ny mpitandro ny filaminana tonga eny amin’ny fitsarana, ny raharaha sivily izay izy ireo no tena misahana azy, fitanana an-tsoratra ny fotoam-pitsarana sy ny didim-pitsarana… Raha tsorina, ny fampandehanana ny fitsarana mihitsy izany no hikatso. Ny fitsarana ady heloka be vava andiany faha-4 ny fitsarana ambony Toamasina tokony hanomboka amin’ny alatsinainy ary haharitra roa herinandro dia hiato. Ny ao Ambatondrazaka izay efa nanomboka ho herinandro izay hifarana amin’ny herinandro vaovao io voatery hiato ihany koa.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT