Actualités

Airbus AirMad Nihitsoka teny Ivato indray


  • Alarobia 21 Novambra 2012

Araka ny fantatra dia voatery nahemotra omaly alatsinainy ny zotra mankany Bangkok tokony ho nanainga teny Ivato ny zoma hariva teo, satria nitrangana olana ara-teknika indray ilay fiaramanidina Airbus an’ny Air Madagascar, ka tsy afaka nanainga.

 Araka ny fitantaran’ny mpandeha iray dia efa nampiandrasina teo amin’ny 45 minitra eo ry zareo, satria mety nisy ny fikarohana vahaolana, saingy tsy nety mihitsy izany koa dia niala tsiny ny Air Madagascar ary niangavy ny olona rehetra handeha hody, fa dia amin’ny alatsinainy indray (omaly) mifankahita.

Tsy vao izao no nandrenesana fa tratry ny olana teknika ny Airbus, fa efa tena im-betsaka, na teny Ivato io, na tany Guangzhou (Chine), na tany Bangkok (Thailande), na tany Paris (Frantsa). Toa manaporofo ny ahiahy hatramin’izay ihany izany, fa tena fiaramanidina efa manana olana angamba ireto namidin’ny Air France tamin’ny Air Madagascar ireto. Ny tena mampanahy dia ny hoe rehefa tapitra voaloa ny vidin’ireto fiaramanidina roa ireto, ao anatin’ny enin-taona nifanarahana dia mbola afaka hiasa tsara ihany ve izy ireo ? Sa sanatria miara-vita amin’ny fanefana ny vidiny koa ny momba azy !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT