Actualités

Sehatra rehetra Feno dian-tanan’ny Frantsay


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Tafika, fampianarana, fotodrafitrasa, izao indray koa ny fahasalamana ! Ahitana dian-tanan’ny Frantsay mba tsy hilazana fa tsabahany avokoa ny sehatra rehetra.

 Natao omaly alarobia maraina tao amin’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola eny Antaninarenina ny sonia mikasika ilay famatsiam-bola andiany faharoa avy amin’ny Masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana na AFD entina hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara na ilay tetikasa PACS. Mitentina 7 tapitrisa Euros izy io raha 5 tapitrisa Euros no nomen’izy ireo tamin’ny andiany voalohany. Raha tsiahivina dia fandaharan’asa niarahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena izy ity teny am-piandohana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny vola.

Noho ny krizy politika nisy teto amintsika anefa dia nihemotra itsy voalohany ka ny AFD no niroso tamin’izany ka izao tonga amin’ny andiany faharoa izao ny famatsiam-bola. Ankoatra ny fanofanana ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana isam-paritra moa dia anisan’ny hahazo tohana amin’izao famatsiam-bola izao ny sehatra tsy miankina. Eo ihany koa ny fanomezan-danja manokana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, indrindra fa ireo tena mahantra sy sahirana ara-pivelomana. Eo koa ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fandrindram-piterahana ho an’ny vehivavy, arahin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalamana ara-pananahana, indrindra fa ho an’ny tanora. Tonga nanatrika ny fifanaovan-tsonia ny masoivoho Frantsay, Jean Claude Beillard, izay handao tsy ho ela an’i Madagasikara sy ny minisitry ny fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT