Tao anatin’ny fanompoam-pivavahana natao tetsy amin’ny EKAR Antanimena omaly alahady tolakandro, ka namaranana ny fivorian’ny Komity foibe faha-35, no nampitan’ny FFKM, izay vory atrika, nahitana an’ny Pastora Dr Rakoto Endor Modeste (FLM), Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina (FJKM), Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène (EKAR) ary ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM), hafatra samihafa manodidina ny krizy iainan’ny firenena ankehitriny.
Raha atao bango tokana dia fampirisihana ny ”ondry” hiverina am-bala no nataon’ireto raiamandreny am-panahy ireto tamin’ny ankapobeny, fa tsy te hijabakana. Nilaza ho efa naheno ny feo sy fitarainan’ny rehetra izy ireo ka nandefa soso-kevitra amin’ny tokony hifampihainoan’ny ankolafy rehetra misy eto amin’ny firenena no narosony fa tsy te hiditra lalina. Dia tokony haneho finiavana hifanatona, hifampihaino ary hifampilaza ny marina ny mpanao politika, hoy izy ireo ary tsy tokony hikatsaka afa-tsy izay hahasoa ny firenena.
Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy miova amin’ny tarigetra amin’ny fampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra ny FFKM, hoy ny feo heno teny Antanimena tamin’io omaly io . Fampihavanana ny samy olombelona ihany koa. Tokony ho samy hahatsiaro tena anefa fa tsy mbola nilaza ny hitarika ny fanatanterahana izany ry zareo. Taratra anaty fanambarana nataony fa mahafantatra tsara ny disadisa ara-pibaikoana eo anivon’ny foloalindahy Malagasy ny FFKM ka nanipy teny ny amin’ny tokony hifanatonan’izy ireo, mbola samy izy ihany koa, hemerenana ny hasin’ny maha-aro tandroky ny vozona azy.
Farany dia miantso ny vahoaka handray andraikitra sy hifanampy fa tsy hanaiky ho resin’ny asan’ny devoly koa ny FFKM ka ny fitodiana tsy tapaka amin’Andriamanitra no hahatontosa izany. Mila fibebahana sy fieken-keloka ary fifamelan’ny samy olombelona ity tanintsika ity, hoy ireto raiamandreny am-panahy ireto. Marihina fa anjaran’ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène (EKAR) indray no hitana ny andraikitra maha filohan’ny FFKM amin’ny taona 2013.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.