Lanonana niarahana tamin’ny mpankafy tetsy amin’ny hotely Carlton ny zoma alina teo no nanolorana an’i D-Lain ny taratasim-bola 65 tapitrisa Ariary, lokany noho ny fibatany ny amboara nandritra ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena “Castel Live Opera” andiany voalohany.
Fifaninanana izay notontosaina tany Cote d’Ivoire ny dingana famaranana raha firenena afrikanina 7 hafa no nanana solontena. Haka aina kely aloha ny tovolahy taorian’iny fifaninanana iny satria asa maro no miandry azy amin’io taona ho avy io. Hamoaka ny rakikirany voalohany mantsy i D-Lain ary hitety firenena maro aorian’izay. Mbola valisoany ihany koa ireo. “Handeha irery amin’izay aho ary traikefa manampy ahy betsaka amin’izany ny Castel Live Opera”, hoy ity mpanakanto nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara ity.
Ankoatra ny sanganasany manokana dia manome hira ho azy sady manampy amin’ny fandrindrana koa ny ekipan’ny Castel Live Opera. Hanana loko iraisam-pirenena izay mampifangaro gadona Malagasy sy Afrikanina io rakikira vaovao io raha ny fanazavany ka anisan’ny hanamarika izany ny fampiaraham-peony amin’i Coumba Gawlo Seck, ilay andriambavilanitra Senegaley, iray tamin’ireo telo mpitsara tamin’ny fifaninanana. Mbola ao anatin’ny fiketrehana tanteraka io vokatra vaovao io ry zareo ankehitriny ka miantso ny mpankafy hahandry kely. Marihina fa notolorana valisoa nandritra ny lanonana ny zoma alina teo koa ireo Malagasy 5 nandefa SMS be indrindra ka voasarika.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.