Niandry ny fitondram-panjakana ihany izahay mba hijery ny zava-misy mikasika ny fifaninanana ara-barotra misy eto amintsika, hoy Ramaroson Thierry, Tale jeneralin’ny orinasa Savonnerie Tropicale etsy Ankorondrano saingy tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao.
Voatery niantso ny mpanao gazety izy ireo omaly nilaza ny alahelony mikasika ny fifaninanana ara-barotra tsy ara-dalàna misy eto izay nomarihiny fa tsy olan’ny orinasany irery izay mpamokatra savony fa olan’ny Malagasy rehetra mihitsy. Hatreto mantsy dia tsy mbola mitovy tantana hatrany ny fomba hitondran’ny fitondram-panjakana ny orinasa mpamokatra savony toa azy izay nomarihin’ity Tale jeneraly ity fa anisan’ny antony iray niadivana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 2009 saingy mbola izao ihany no zava-misy. Ho an’ny orinasa mpamokatra ny savony «Citron plus» manokana dia nambaran-dry zareo eo anivon’ny orinasa Savonnerie Tropicale fa tsy mandoa haba izy ireo no sady tsy manao asa sosialy toy ny hataony ihany koa.
Eo an-danin’izay anefa izy ireo dia anisan’ny mivesatra ny tsy eran’ny ainy ny Savonnerie Tropicale satria sady miezaka mamokatra vokatra tsara ho an’ny mpanjifa no mbola mandoa haba ihany koa, antony mahafaty ireo orinasa malagasy maro toa azy. Vokatr’izay fifaninanana ara-barotra tsy ara-dalàna izay ihany dia nahatratra 5 miliara sy 600 tapitrisa Ar ny totalim-bidin’ny entana tsy afaka novokariny ho an’ity orinasa mpanao osavony etsy Ankorondrano ity tamin’ny taona 2011. Nasian-dRamaroson Thierry resaka ihany koa moa ny ny mikasika ny haba alain’ny fanjakana amin’ny akora azo hanaovana savony vitan’ny orinasa Malagasy eto an-toerana saingy hafarana avy any ivelany izay naidina ho 5 % raha tokony ho 20% ny tena ara-dalàna.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.