• Alakamisy 15 Novambra 2012
Actualités.Oniversite Antsiranana Nisy nandoro ny fiaran’ny “Lettres”, birao maro vaky fitaratra

May omaly maraina ny fiara iray Peugeot 405 an’ny Fakioltenan’ny teny aman-tsoratra nipetraka teo anoloan’ny biraon’ny filohan’ny oniversite Antsiranana ao amin’ny Campus Lazaret, vaky ny ankamaroan’ny fitaratra tao amin’ity toerana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Novambra 2012
Actualités.Cnapmad Ankorondrano Nanao fitokonana fanairana ireo mpiasa

Nanao fitokonana fanairana noho ny tsy mbola nahazoany ny karamany volana oktobra ny mpiasan’ny Cnapmad teny Ankorondrano omaly maraina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Novambra 2012
Actualités.Fanenjehana dahalo Aiza ilay helikoptera manara-penitra e ?

Sady tsy re no tsy hita popoka hatramin’izao ny momba ilay helikoptera maoderina mahazaka olona maro nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hampiasaina amin’ny ady amin’ny dahalo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Novambra 2012
Actualités.Monja Roindefo Miantso ny fanohanan’ny Amerikanina

Nandray ny iraky ny Amnesty International ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo, ny zoma teo. Voaresaky ny roa tonta tamin’izany ny tsy fandriampahalemana any atsimon’ny Nosy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 13 Novambra 2012
Actualités.Taksibe - Zotra 119 Sempotry ny 400Ar dia mibabaka

Nitokona tsy nisy niasa ny zotra-pitaterana 119 mampitohy an’Ankatso amin’i 67 ha omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 12 Novambra 2012
Actualités.Hetsika “Tsy misy miala aketo niany” Nanala ny fako niavosa tao Bazary Kely

Tapa-bolana teo izay dia tsy nahavita ny andraikiny amin’ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanalana ireo fako miavosa ao Toamasina intsony ny Kaominina vokatry ny tsy fisian’ny vola.

Hamaky ny tohiny
FTT