Actualités

CT Rakotomandimby Désiré Mitaky ny hanoloana ny lehiben’ny Faritra Amoron'i Mania


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013


Nampiantso mpanao gazety tao amin'ny trano fonenany tao Ambositra ny zoma lasa teo ny mpikambana ao amin'ny Kongresin'ny tetezamita sady mpandrindram-paritra ny antoko TGV ao Amoron'i Mania, Atoa Rakotomandimby Désiré. Nilaza ny heviny mikasika ny raharam-pirenena ny tenany no nitatitra sy nanao ampamoaka ireo fitarainana marobe avy amin'ny vahoaka mikasika ny zava-misy ao Amoron'i Mania nandritra ny 4 taona sy 3 volana izao. Gaboraraka hoy ny CT Rakotomandimby Désiré ny fitrandrahana ireo harena voajanahary toy ny hazo sarobidy, volamena, vato malakita nefa tsy nisy tombontsoa azon'ny vahoaka ato amin'ny Faritra akory. Tsy mazava ny fitantanana ny vola miditra sy mivoaka mikasika ireo. Itarainan'ny ankamaroan'ny olona amin'ity Parlemantera ity koa ny firongatry ny asan-dahalo ary saika ahitàna izany avokoa ireo Kaominina miisa 55 mandrafitra an’Amoron’i Mania. Miasa irery ny mpitandro ny filaminana hany ka romotra ny olona raha mahatratra dahalo ka manao fitsaram-bahoaka tato ho ato.

Nipetraka ho boky fotsiny ny dinam-paritra fa tsy nampiharina nefa tsy manana vahaolana hafa ny Faritra. Mikasika ny sôsialim-bahoaka dia efa mihatra aman'aina ny fahantrana, mitombo ny fahasahiranam-bahoaka fa tsy manome asa na vahaolana ny mpitondra ao amin'ny Faritra, hoy ity Parlemantera TGV ity. Latsaka an-katerena Amoron'i Mania ka miantso ny fanjakana foibe hanolo ny mpitantana ny Faritra ao Amoron'i Mania ny CT Rakotomandimby Désiré, nisy aza ny hafatra manokana nataon’ity farany izay miantefa ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania hoe : «Fahendrena ho anao ny maka aina sy miala sasatra amin'ny asa fitantanana ny Faritra fa tsy lany olomanga Amoron'i Mania. Aleo hataon'ny hafa mba ho tombontsoan'ny vahoaka ao amin'ny Faritra».

 

Rado

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT